Ny nanjakan’i Jôasa tany Jodà (835-796)
1 Vao fito taona i Jôasa dia tonga mpanjaka.
2 Tamin’ny taona fahafiton’ny nanjakan’i Jehò no vao tonga mpanjaka i Jôasa ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià, avy any Bersabea.
3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh i Jôasa tamin’ny andro rehetra nanoloran’i Joiadà mpisorona fampianarana azy.
4 Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.
5 Ary hoy i Jôasa tamin’ny mpisorona: «Ny volan’ny fitoerana masina rehetra izay aterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh dia ny vola fandoan’ny isan’olona, ny vola avotry ny olona araka ny fanombanana azy avy, ary ny vola rehetra aterin’ny olona samy araka ny fahazotoany avy, ao an-tranon’i Iaveh,
6 dia aoka horaisin’ny mpisorona samy avy amin’ny olom-pantany avy, ary aoka hamboatra ny banga amin’ny trano izy ireo amin’izay rehetra hita fa misy banga.»
7 Kanjo, indro fa tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa, dia mbola tsy voavoatry ny mpisorona ihany ny banga amin’ny trano,
8 ka dia niantso an’i Jôiadà mpisorona sy ny mpisorona hafa i Jôasa mpanjaka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Nahoana no tsy amboarinareo ny banga amin’ny trano? Koa ankehitriny, aza raisinareo intsony ny vola amin’ny olom-pantatrareo, fa atolory hanamboarana ny banga amin’ny trano.»
9 Dia nanaiky ny tsy handray vola amin’ny vahoaka intsony ny mpisorona, ka tsy azy intsony ny hanamboatra ny banga amin’ny trano.
10 Koa naka vata anankiray i Jôiadà mpisorona nasiany loaka ny sarony, napetrany teo anilan’ny ôtely ankavanan’ny fidirana ho ao an-tranon’i Iaveh, dia nataon’ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra naterin’ny olona tao an-tranon’i Iaveh.
11 Nony hitan’izy ireo fa efa misy betsaka ny vola ao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisorona lehibe hamehy sy hanisa ny volarehetra izay ao an-tranon’i Iaveh.
12 Dia napetrak’izy ireo eo an-tanan’izay mpanao ny asa, izay voatendry hikarakara ny tranon’i Iaveh, ny vola voalanja, ka ireo no nanome azy ho an’ny mpandrafitra sy ny mpanao taozavatra, izay niasa tamin’ny tranon’i Iaveh,
13 ny mpandrafitra vato, ny tambato; nanome izany koa izy ireo hividianana hazo amam-bato voapaika, hanamboarana ny banga amin’ny tranon’i Iaveh mbamin’ny lany rehetra hanamafisana ny trano.
14 Nefa tsy mba nanaovana fitoeran-drano volafotsy, na antsy, na kapoaka, na trômpetra, na fanaka volamena na fanaka volafotsy, hatao ao an-tranon’i Iaveh ny vola naterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh,
15 fa nomena an’ireo nampanao ny raharaha ihany, hoentiny manamboatra ny tranon’i Iaveh.
16 Tsy nampamoahina ny olona nametrahana ny vola homena izay nampanao ny asa, satria nanaraka ny rariny izy.
17 Ny vola tamin’ny sorona noho ny ota sy ny sorona noho ny heloka dia tsy mba naterina tao an-tranon’i Iaveh fa an’ny mpisorona.
18 Tamin’izany, niakatra namely an’i Geta, i Hazaela, mpanjakan’i Siria, ka nahafaka azy. Dia nikasa hiakatra hamely an’i Jerosalema izy.
19 Fa nalain’i Jôasa mpanjakan’i Jodà kosa ny zava-boahasina rehetra izay nohamasinin’ny razany, Jôsafata, Jôrama, Okoziasa mpanjakan’i Jodà, sy izay nohamasinin’ny tenany, mbamin’ny volamena rehetra izay tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an’i Hazaela mpanjakan’i Siria avokoa izany, dia lasa lavitra an’i Jerosalema izy io.
20 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôasa mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?
21 Nikomy taminy ny mpanompony ary nanao teti-dratsy, dia nasiany tao an-tranon’i Melô amin’ny fidinan’i Selà Jôasa.
22 I Jôsakara zanak’i Semaata sy i Jôsabada zanak’i Somera, mpanompony, no namely azy, ka dia maty izy. Nalevina tao amin’ny razany tao an-tanànan’i Davida izy; ary i Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.