Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 18

Filazana mialoha ny fanjakan’i Ezekiasa (716-687)

1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Osea, zanak’i Elà mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka kosa i Ezekiasa zanak’i Akaza mpanjakan’i Jodà.

2 25 taonaizy fony vao nanjaka, ary sivy 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny reniny dia natao hoe Abì, zanak’i Zakariasa.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, araka izay rehetra nataon’i Davida rainy.

4 Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.

5 I Iaveh Andriamanitr’i Israely no nitokiany, koa dia tsy nisy tahaka azytamin’ny mpanjakan’i Jodà rehetra, na ny tatỳ aoriany, na ny tany alohany.

6 Nifikitra tamin’i Iaveh izy, ka tsy mba nivily niala taminy, fa nitandrina ny didy nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

7 Dia nomban’i Iaveh izy, ka nahomby tamin’izay rehetra nataony.

Niodina tamin’ny mpanjakan’i Asiria izy, dia afaka tsy nanompo an’io intsony.

8 Nandresy ny Filistinina hatrany Gazà izy, ka nandrava ny taniny, hatramin’ny tilikambon’ny mpiambina, ka hatramin’ny tanàna mimanda.

Fampahatsiarovana ny nakana an’i Samaria

9 Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan’i Osea, zanak’i Elà, mpanjakan’i Israely, no niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria hamely an’i Samaria sy nanaovany fahirano azy.

10 Nony afaka telo taona, dia afany ny tanàna, dia tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Ezekiasa, izay taona fahasivy nanjakan’i Osea, mpanjakan’i Israely, no nahafahana an’i Samaria.

11 Dia nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria i Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron’i Habôra, onin’i Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda,

12 satria tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, ary tsy misy nohenoiny na narahiny izay rehetra nodidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh.

Fanafihan’i Senakeriba

13 Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra an’i Jodà, i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nahafaka an’ireny.

14 Ary i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà naniraka hilaza amin’ny mpanjakan’i Asiria tany Lakisa hoe: «Efa diso aho, fa mialà ianao, dia hoentiko izay hampitondrainao ahy.» Dia talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telopolo no nasain’ny mpanjakan’i Asiria naloan’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà.

15 Ka nomen’i Ezekiasa avokoa ny volafotsy hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka.

16 Tamin’izany andro izany, novakin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ny varavarana aman-tolàm-baravaran’ny tempolin’i Iaveh, izay efa nopetahan’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà takela-bolamena, ary nomeny ny mpanjakan’i Asiria ny volamena.

Ny nanirahana ny komandy mpandroso divay

17 Ary ny mpanjakan’i Asiria naniraka ny jeneraliny ambony indrindra sy ny lehiben’ny eonoka, ny komandy mpandroso divay, mbamin’ny miaramila maro koa, avy any Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa mpanjaka, any Jerosalema. Nony tonga tao izy, dia nijanona teo anilan’ny lakan-dranon’nyfarihy ambony, amin’ny lalana mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,

18 ka niantso ny mpanjaka. Ary i Eliasima zanak’i Elkiasa lehiben’ny tao an-dapa no nivoaka nankeo amin’izy ireo, mbamin’ny Sobnà mpanoratra, i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky.

19 Dia hoy ilay komandy mpandroso divay tamin’izy ireo: «Lazao amin’i Ezekiasa hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria: Inona izato toky ianteheranao?

20 Niteny ianao, – teny tsy misy fotony, – nanao hoe: Manan-tsaina aman-kery hoenti-miady aho! Fa ankehitriny kosa dia matoky an’iza ianao no dia miodina amiko?

21 Indro fa volotara vaky no itokianao ankehitriny, dia i Ejipta, ka izay mitehina aminy voatsindrony sy voatrobany avokoa, fa izany tokoa i Faraôna mpanjakan’i Ejipta ho an’izay rehetra matoky azy.

22 Angamba ianareo hanao amiko hoe: I Iaveh Andriamanitray no itokianay. Kanefa raha Izy, moa tsy efa nofoanan’i Ezekiasa va ny ôteliny amam-pitoerana avony, ary efa noalazainy tamin’i Jodà sy i Jerosalema fa hoe: Eo anoloan’ity ôtely eto Jerosalema ity no hiankohofanareo.

23 Koa ankehitriny aoka hanao fanekena amin’ny tompoko mpanjakan’i Asiria ianao, dia omeko soavaly roa arivo, raha mahita mpitaingin-tsoavaly hitaingina izany! Hataonao ahoana moa no fanohitra ny lehibe anankiray amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra aza?

24 Fa noho ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly no itokianao an’i Ejipta.

25 Nefa ankehitriny moa tsy avy amin’i Iaveh va no niakarako hamely ity fitoerana ity ho rava? Fa hoy i Iaveh tamiko: Miakara hamely io tany io, ka ravao izy.»

26 Dia hoy i Eliasima zanak’i Helkiasa sy i Sobnà ary i Jôahe tamin’ny komandy mpandroso divay: «Aoka ho teny Arameaninano hiresahanao amin’ny mpanomponao, fa hainay izany, fa aza fiteny jodaikano iresahanao aminay, ka azon’ny sofin’ny vahoaka izay eo ambony manda.»

27 Fa namaly ny mpandroso divay ambony indrindra nanao hoe: «Moa amin’ny tomponao sy aminao va no nasain’ny tompoko hilazana izany teny izany, fa tsy amin’ireo olona mipetraka eo ambony manda, mba hihinanany ny dikiny sy hisotroany ny ditsany miaraka aminareo?»

28 Tamin’izay dia nandroso ny mpandroso divay ambony indrindra, ka niantso tamin’ny feo avo tamin’ny fiteny jodaika dia nanao izao teny izao hoe: «Henoinareo ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!

29 Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Ezekiasa ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ny tanany izy tsy akory.

30 Aza manaiky hampatokin’i Ezekiasa an’i Iaveh ianareo, saingy ilazany hoe: Tsy maintsy hovonjen’i Iaveh tokoa isika, ka tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.

31 Aza mihaino an’i Ezekiasa fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko ka maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviavinareo, samy hisotro ny rano ao am-pantsakanareo,

32 mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’ny tany tahaka ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka, tany misy ôliva tsara, diloilo sy tantely, ka ho velona ianareo fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an’i Ezekiasa, fa vohony omeny anareo no ilazany hoe: Hovonjen’i Iaveh isika.

33 Moa ny andriamanitry ny firenena, samy nahavonjy ny taniny avy, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?

34 Aiza ny andriamanitr’i Etama sy i Arfada? Aiza ny andriamanitr’i Sefarvaima sy i Anah ary i Avah? Moa nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tanako va ireny?

35 Iza amin’ireo andriamanitry ny tany rehetra no efa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, no hoe i Iaveh hahavonjy an’i Jerosalema amin’ny tanako?»

36 Nangina ny vahoaka, fa tsy namaly azy na dia indraimbava aza, satria efa nomen’ny mpanjaka teny hoe: «Aza misy mamaly ianareo.»

37 Dia nankao amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky; voatriatra ny fitafian’izy ireo, ary nolazainy taminy ny tenin’ny mpandroso divay ambony indrindra.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *