Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 19

Fanontaniana an’i Izaia mpaminany

1 Vao nandre ny filazana izany i Ezekiasa mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lasàka ary nankao an-tranon’i Iaveh,

2 dia naniraka an’i Eliasima lehiben’ny tao an-dapa sy i Sobnà mpanoratra, samy mitafy lasàka, ho any amin’ny Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa.

3 Hoy izy ireo taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fanalam-baràka izao andro izao, fa ny zaza efa mby amin’ny hivoahany avy ao an-kibon-dreniny; nefa ny hery hiterahana azy tsy misy.

4 Angamba ho ren’i Iaveh Andriamanitrao ny teny rehetra nolazain’ny mpandroso divay ambony indrindra, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony, haniratsira an’Andriamanitra velona, ka iny dia hofaizina noho ny teniny efa ren’i Iaveh Andriamanitrao. Ka ny fivavahana no asondroty hamonjy izay mbola sisa.»

5 Dia nankany amin’i Izaia ny mpanompon’i Ezekiasa mpanjaka,

6 ka hoy i Izaia tamin’izy ireo: «Izao no holazainao amin’ny tomponareo, izao no lazain’i Iaveh: Aza mivadi-po amin’ny teny efa renao sy naniratsiran’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Asiria Ahy,

7 fa indro Aho hanisy fanahy ao anatiny, izay handrenesany vaovao fotsiny, dia hiverenany any amin’ny taniny, ka hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy.»

Ny niaingan’ny komandy mpandroso divay

8 Dia lasa niverina ny mpandroso divay ambony indrindra ka nihaona tamin’ny mpanjakan’i Asiria niady tany Lobnà, fa efa reny ny nialan’ny tompony avy tao Lakisa.

9 Nisy vaovao ren’ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tarakà, mpanjakan’i Etiôpia, dia nolazaina taminy fa hoe: «Indro niainga hiady aminao izy.»

Taratasin’i Senakeriba ho an’i Ezekiasa

Ary nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa indray izy nanao hoe:

10 «Izao no lazaonareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà: Aza mety harebirebin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.

11 Indro efa renao ihany ny nataon’ireo mpanjakan’i Asiria tamin’ny tany rehetra, tamin’ny nanaovany anatema azy ka ianao indray ve no ho voavonjy?

12 Moa nahavonjy azy va ny andriamanitr’ireo firenena noravan’ny razako, dia i Gôsàna, i Haràna, i Resefa, mbamin’ny taranak’i Edena, tany Telasara?

13 Aiza avy ny mpanjakan’i Emata, ny mpanjakan’i Arfada, ny mpanjakan’ny tanàna Serfavaima, i Anah ary i Avah?»

14 Nony voarain’i Ekeziasa ny taratasy teny an-tanan’ireo iraka dia novakiny. Raha efa izany niakatra nankao an-tranon’i Iaveh i Ezekiasa ka namelatra io teo anatrehan’i Iaveh.

15 Nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

16 Ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa; ry Iaveh ô, ahirato ny masonao, ka mijere. Henoy ny tenin’i Senakeriba izay naniraka haniratsira an’Andriamanitra velona.

17 Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa ny mpanjakan’i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny,

18 ary nanipy ny andriamaniny tao amin’ny afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka nataony levona.

19 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra.»

Tenin’i Izaia mpaminany

20 Dia naniraka tany amin’i Ezekiasa i Izaia zanak’i Amôsa hilaza hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria.

21 Ka izao no teny notononin’i Iaveh namelezany azy:

Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao

ny virjiny zanaka vavin’i Siôna:

mihifikifi-doha eo ivohonao

ny zanaka vavin’i Jerosalema.

22 Fa iza izato notsiratsirainao sy nalanao baraka?

Zovy izato notoherinao amim-peo mihiaka,

sy ami-maso misolanandrana ambony?

Nanohitra ny Masin’i Iaveh ianao…!

23 Naniratsira ny Tompo tamin’ny irakao ianao.

Ka hoy ianao: Tamin’ny kalesiko marobe,

no niakarako tany an-tampon-tendrombohitra,

tany an-tendron’i Libàna.

Hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sederany,

ny tsara indrindra amin’ny sipresiny;

ho tonga any an-tampony indrindra aho,

dia any amin’ny alany, izay toa saha be hazo mamoa.

24 Nihady aho, dia nisotro

ranom-pirenena hafa;

ary ny faladiako dia handrìtako

ny onin’i Ejipta rehetra.

25 Tsy efa renao vafa hatry ny ela

no nanaovako izany zavatra izany,

ary efa nokasaiko fahataloha izany?

Ankehitriny no ataoko izay hahatanterahany;

hampanjarianao ho korontan-javatra rava

ny tanàna mimanda.

26 Tsy manan-kery ny mponina amin’ireny,

fa raiki-tahotra sy mivarahotsaka izy,

ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha,

sy ny zava-maitso milenodenoka,

toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano,

sy ny vary maty fotsy,mainaalohan’ny fahamasahany.

27 Kanjo kosa, hitako avokoa na ny fipetrakao,

na ny fivoakanao sy ny fiditrao,

na ny hatezeranao amiko.

28 Fa noho ianao tezitra amiko,

ary efa tafasandratra ho ren’ny sofiko

ny fiavonavonanao,

dia hasiako ny masom-biko ny oronao;

hasiako ny sakam-bavan-tsoavaly ny molotrao;

dia hampiverina anao amin’ny lalana niavianao.

29 Ary izao kosa no famantarana ho anao: Vokatra avy amin’ny voa mihintsana no hohanin’ny olona amin’ity taona ity; izay maniry ho azy no hohaniny amin’ny taona faharoan’ity, fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy ianareo dia hijinja, hamboly voaloboka dia hihinana ny vokatra avy aminy.

30 Ny voavonjy amin’ny taranak’i Jodà, ny sisa tafajanona, dia mbola haniry faka ao ambany, ka hamoa eo ambony.

31 Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy amin’ny tendrombohitr’i Siôna. Ka izany no ho vitan’ny zotom-pitian’i Iavehn’ny tafika.

32 Koa noho izany dia iza no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria:

Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy,

na handefa zana-tsipìka aminy,

na hanandratra ampinga tandrify azy;

33 fa hiverina amin’ny lalana niaviany,

ka tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy,

– teny marin’i Iaveh.

34 Hiaro ity tanàna ity Aho, hamonjeko azy

Noho ny amin’ny tenako, sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.

Ny naharesen’i Senakeriba sy ny nahafatesany

35 Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.

36 Dia noravan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria ny toby, ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva.

37 Ary raha ilay niankohoka teo an-tranon’i Nesraoka andriamaniny iny izy, dia novonoin’i Adramelaka sy i Sarasara zanany lahy tamin’ny sabatra, ka nandositra nankany amin’ny tany Ararata ireo. Dia i Asaradòna zanany no nanjaka nandimby azy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *