Mpianatr’i Elisea manolotra an’i Jehò ho mpanjaka
1 Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.
2 Rehefa tonga any ianao, zahao i Jehò zanak’i Jôsafata zanak’i Namsì, ka rehefa tafahàtona eo anilany dia asaovy mitsangana avy eo amin’ireo rahalahiny izy, dia ento mankany an’efitrano mangingìna,
3 ary raiso ny tavoara misy diloilo, aidino amin’ny lohany, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Hosorako ho mpanjakan’i Israely ianao. Dia vohay ny varavarana ka mandosira fa aza mijanonjanona.»
4 Dia nandeha ilay zatovo, mpanompon’ny mpaminany, ho any Ramôta, any Galaada.
5 Nony tonga izy, indreo ny lehiben’ny tafika mipetraka eo, ka hoy izy: «Ry Komandy ô, misy teny kely holazaiko aminao.» Ary hoy i Jehò: «Amin’iza aminay ireto?» Dia namaly izy: «Aminao, Komandy.»
6 Koa nitsangana nankao an-trano i Jehò, ary ilay zatovo kosa sady nanidina ny diloilo tamin’ny lohany no nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Hosorako ho mpanjakan’i Israely vahoakan’i Iaveh ianao.
7 Hamely ny tranon’i Akaba tomponao ianao, ary hampanodiaviko an’i Jezabela ny ran’ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran’ny mpanompon’i Iaveh rehetra.
8 Haringanany tranon’i Akaba rehetra, hofongorako ny lahy rehetra izay an’i Akaba, na ny mpanompo olona na ny olona afaka amin’i Israely,
9 ka hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôamazanak’i Nabata sy ny an’i Baasàzanak’i Ahià, ny tranon’i Akaba.
10 Hohanin’ny alika eo amin’ny sahan’i Jezrahela i Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy.» Dia novohan’ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy.
I Jehò atsangana ho mpanjaka
11 Fa i Jehò nivoaka nankao amin’ny mpanompon’ny tompony, ka hoy ireo taminy hoe: «Tsara ihany daholo va? Fa ahoana no nalehan’ilay adala iny tao aminao?» Dia hoy ny navalin’izy ireo: «Samy fantatrareo ihany, na ralehilahy na ny teniny.»
12 Fa namaly izy ireo nanao hoe: «Lainga izany, fa ambarao aminay izany!» ary hoy izy hoe: «Izany sy izany no nolazainy tamiko, nataony hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Hosorako ho mpanjakan’i Israely ianao.»
13 Niaraka tamin’izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin’i Jehò, teo an-tampon’ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: «I Jehò no mpanjaka!»
I Jehò manomana ny fakàna ny fahefana
14 Nanao teti-dratsy i Jehò zanak’i Jôsafata, zanak’i Namsì, hamely an’i Jôrama. I Jôrama sy i Israely rehetra tamin’izany, dia niaro an’i Ramôta any Galaada, tsy ho azon’i Hazaela mpanjakan’i Siria,
15 saingy niverina nankany Jezrahela i Jôrama mpanjaka hampitsabo tena amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy, tamin’izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ka hoy i Jehò: «Raha maniry izany àry ianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka handeha hilaza izany any Jezrahela.»
16 Dia niakatra teo amin’ny kalesiny i Jehò, ka niainga nankany Jezrahela, fa nandry tany i Jôrama, ary nidina namangy an’i Jôrama any koa i Okoziasa mpanjakan’i Jodà.
17 Tazan’ny mpitily nitoetra tao an-tampon’ny tilikambon’i Jezrahela kosa ny niavian’ny antoko-miaramilan’i Jehò ka nolazainy hoe: «Mahatazana antoko-miaramila aho.» Ary hoy i Jôrama: «Makà mpitaingin-tsoavaly anankiray, iraho hitsena azy ireo ka hanontany hoe: Fihavanana va izao?»
18 Dia nandeha nitsena an’i Jehò ny mpitaingin-tsoavaly, ka nanao hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: Fihavanana va izao?» Fa namaly i Jehò nanao hoe: «Mampaninona anao izay fihavanana? Fa avia atỳ aoriako ianao!» Nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka, nefa tsy niverina.»
19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany i Jôrama; ka tonga teny izy ary nanao hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: Fihavanana va izao?» Fa namaly i Jehò nanao hoe: «Mampaninona anao izay fihavanana? Avia atỳ aoriako ianao!»
20 Koa nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka nefa tsy niverina. Sahala amin’ny fitarik’i Jehò zanak’i Namsì ny fitariny, fa nitarika toy ny olona adala izy.»
21 Dia hoy i Jôrama: «Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly.» Dia natao tamin’ny kalesy ny soavaly. Nivoaka samy tamin’ny kalesiny avy, i Jôrama mpanjakan’i Israely, sy i Okoziasa, mpanjakan’i Jodà, nivoaka nitsena an’i Jehò, ka nifanena taminy tao amin’ny sahan’i Nabôta, any Jezrahela.
Ny namonoana an’i Jôrama
22 Raha nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanao taminy hoe: «Fihavanana va izao, ry Jehò?» Fa namaly kosa i Jehò: «Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan’i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony?»
23 Dia nampihodina ny kalesiny i Jôrama, nitsoaka nandositra, sady nilaza tamin’i Okoziasa hoe: «Fivadihana ity, ry Okoziasa.»
24 Fa noraisin’i Jehò teo an-tanany kosa ny tsipìkany, nasiany i Jôrama teo anelanelan’ny sorony; tafagorobaka tamin’ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsotra tao anaty kalesiny tao i Jôrama.
25 Ary hoy i Jehò tamin’i Badakera lefiny: «Raiso io, atsipazo ao anatin’ny sahan’i Nabôta ao Jezrahela, satria tsarovy ilay izaho sy ianao niara-nitaingin-tsoavaly nanaraka an’i Akaba iny, ka nitenenan’i Iaveh izao teny nihatra taminy izao hoe:
26 Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran’i Nabôta sy ny ran-janany, – teny marin’i Iaveh izao, dia hataoko todîn’izany ianao ato amin’ity saha ity ihany, – teny marin’i Iaveh izao; koa raiso io, atsipazo amin’ny saha araka ny tenin’i Iaveh.»
Ny namonoana an’i Okoziasa
27 Raha nahita izany i Okoziasa mpanjakan’i Jodà, dia nandositra tamin’ny lalan’ny tranon’ny zaridaina. Fa nenjehin’i Jehò izy sady nataony hoe: «Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny.» Dia nasian’ny olona izy, teo amin’ny fiakaran’i Gavera, akaikin’ny Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao.
28 Nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka naleviny tao am-pasany, tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida.
29 Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Jôrama, zanak’i Akaba, no nahatongavan’i Okoziasa ho mpanjakan’i Jodà.
Ny namonoana an’i Jezabela
30 Dia niditra tao Jezrahela i Jehò. Raha nandre izany i Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.
31 Nony niditra ny vavahady i Jehò dia hoy izy: «Fihavanana va izao, ry Zamrì, mpamono tompo?»
32 Niandrandra tany am-baravarankely izy, dia nanao hoe: «Iza no momba ahy?» Eonòka roa na telo no nitsirika azy,
33 dia nataony hoe: «Azerao atỳ ambany izy io!» Dia nazeran’ireo izy, ka nifantsitsìtra tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary nohosen’i Jehò tamin’ny tongony izy.
34 Raha efa izany dia niditra izy ary nihinana sy nisotro ka nanao hoe: «Mandehana tsiriho ilay vehivavy voaozona dia aleveno, fa zanaky ny mpanjakaizy.»
35 Dia nandeha handevina azy izy ireo, kanjo ny karandohany sy ny tongony amam-pelatanany sisa tratrany teo.
36 Ka niverina nilaza izany tamin’i Jehò izy, fa hoy izy: «Izany no tenin’i Iaveh notononiny tamin’ny alalan’i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin’ny alika ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny nofon’i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin’ny tany ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny fatin’i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: I Jezabela ity.»