Categories
2Samoela

2Samoela 15

Sain-dratsin’i Absalôma

1 Tatỳ aorian’izany nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimampolo lahy izay nihazakazaka teo alohany i Absalôma.

2 Nifoha maraina koa i Absalôma dia nitoetra teo akaikin’ny lalana mankao am-bavahady, ka isaky ny nisy olona manana ady, nankao amin’ny mpanjaka hangataka fitsarana, dia nantsoin’i Absalôma izy nataony hoe: «Aninona no tanàna iavianareo?» ka nony namaly hoe: «Avy any ananona amin’ny fokon’i Israely ny mpanomponao,»

3 dia hoy i Absalôma taminy: «Etsy ange! tsara sy marina ny raharahanao, fa ny olona hihaino anao avy amin’ny mpanjaka no tsy misy.»

4 Ary nanampy indray i Absalôma nanao hoe: «Iza re no hanangana ahy ho mpitsara amin’ny tany? Fa na iza na iza manana ady aman-draharaha dia ho tonga atỳ amiko ka homeko ny rariny avokoa.»

5 Ary isaky ny misy olona manatona hiankohoka eo anoloany, dia tolorany tanana, ary noraisiny sy norohany.

6 Izany no nataon’i Absalôma tamin’ny olona rehetra amin’i Israely izay nankao amin’ny mpanjaka nangataka fitsarana, ka nangoleny ny fon’ny olona amin’i Israely.

Fikomian’i Absalôma

7 Nony afaka efa-taona dia hoy i Absalôma tamin’ny mpanjaka: «Raha sitrakao, avelao kely aho ho any Hebrôna, hanefa ny voady nataoko tamin’i Iaveh.

8 Fa fony nitoetra tany Gesora any Arama aho, dia nanao voady ny mpanomponao ka nanao hoe: Raha averin’i Iaveh any Jerosalema indray aho, dia hanompo an’i Iaveh aho.»

9 Ka hoy ny mpanjaka taminy: «Mandehana amim-piadanana!» Dia niainga izy nankany Hebrôna.

10 Nandefa iraka mangingina hitety ny fokon’i Israely rehetra i Absalôma nanao hoe: «Raha vao mandre ny feon’ny anjomara ianareo, dia lazao hoe: Manjaka ao Hebrôna i Absalôma!»

11 Ary nisy olona roan-jato lahy avy any Jerosalema niaraka tamin’i Absalôma, dia olona nasaina izy ireo ka nandeha tamim-pahatsoram-po, fa tsy nahalala na inona na inona.

12 Mbola eo am-panaterana ny sorona i Absalôma, dia naniraka haka an’i Akitôfela, Gilaônita, mpanolo-tsaina an’i Davida tany Gilaô tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an’i Absalôma.

Ny nandosiran’i Davida

13 Dia nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida, nanao hoe: «Tafaraikitra amin’ny fanarahana an’i Absalôma ny fon’ny lehilahy amin’i Israely.»

14 Ka hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra tao aminy tany Jerosalema: «Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma. Andao faingana fandrao dia tampohiny isika, ka ataony idiran-doza eto, sady hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.»

15 Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: «Na inona na inona no hevitra hotapahin’ny mpanjaka tompoko, dia indreto ny mpanomponao.»

16 Dia niainga ny mpanjaka, narahin’ny fianakaviany rehetra, nandeha an-tongotra; fa vaditsindrano folo no najanony hiandry trano.

17 Nivoaka ny mpanjaka niaraka tamin’ny olona rehetra, nandeha an-tongotra, ary nijanona teo amin’ny trano farany.

18 Ny mpanompony rehetra nandeha teny anindrany; ny Keretianina sy ny Feletianina, ary ny Geteanina rehetra enin-jato lahy, izay nanaraka azy hatrany Geta, dia nandeha teo alohan’ny mpanjaka.

19 Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Etaia, Geteanina: «Nahoana kosa ity ianao no hiaraka aminay? Miverena hitoetra amin’ny mpanjaka, fa mpivahiny ianao, ary voasesitany tsy manam-ponenana.

20 Vao omaly no omaly ianao no tonga, ka anio sahady ve dia hoentiko hiara-majenjena aminay, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany halehako akory? Koa miverena ianao, ary ento miaraka aminao koa ireo rahalahinao, fa ho aminao anie ny fahasoavana amam-pahamarinan’i Iaveh!»

21 Dia izao no navalin’i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona i Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko!

Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao.

22 Koa hoy i Davida tamin’i Etaia: «Andeha àry handroso». Dia nandeha i Etaia Geteanina, sy ny olona rehetra mbamin’ny zaza rehetra niaraka taminy.

23 Nitomany nikaikaika avokoa ny tany ama-monina tamin’ny nandalovan’ireo vahoaka rehetra ireo. Nony tafita ny ranon-driaka Sedrôna ny mpanjaka, dia nandroso tamin’ny tandrifin’ny lalana mankany an’efitra ny vahoaka.

Ny nanjò ny Fiara

24 Ary indro ny fiaran’Andriamanitra fa napetrak’i Sadôka, mbamin’ny Levita rehetra nitondra ny Fiaran’ny faneken’Andriamanitra, raha ilay niakatra iny i Abiatara, mandra-pahatapitry ny vahoaka rehetra nivoaka avy ao an-tanàna.

25 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Sadôka: «Ento miverina ao an-tanàna ihany ny Fiaran’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’i Iaveh aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny Fiara sy ny Fonenany ihany.

26 Fa raha hoy kosa izy: Tsy sitrako ianao! dia inty aho, izay heveriny ho mety no aoka hataony ahy.»

27 Izao koa no nolazain’ny mpanjaka tamin’i Sadôka mpisorona: «Ary ianao, ry mpahita, miverena ao an-tanàna amim-piadanana, miaraka amin’i Akimaasa zanakao sy i Jônatasy zanak’i Abiatara, izy roalahy zanakareo miaraka aminareo.

28 Jereo, izaho hijanonjanona any amin’ny tany lemakyny efitra, mandra-pahazoko teny avy atỳ aminareo mampandre ahy.»

29 Koa dia nentin’i Sadôka sy i Abiatara niverina tany Jerosalema ny Fiaran’Andriamanitra ka nitoetra tao izy.

Maka toky amin’ny fanampian’i Kosaia i Davida

30 Niakatra ny tendrombohitra Oliva i Davida, niakatra sy nitomany izy, sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha ary nitomany teny am-piakarana.

31 Ary nisy nilaza vaovao tamin’i Davida nanao hoe: «I Akitôfela koa, anisan’ny mpiray tetika amin’i Absalôma»; ka hoy i Davida: «Iaveh ô, mangataka aminao aho, ampanjario tsinontsinona ny hevitr’i Akitôfela.»

32 Nony tonga teo an-tampony i Davida teo amin’izay hivavahan’ny olona amin’Andriamanitra dia inty i Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny akanjony rovitra, ny lohany mihosim-bovoka.

33 Hoy i Davida taminy: «Raha mandeha miaraka amiko ianao, tonga enta-mavesatra ho ahy foana.

34 Fa raha miverina any an-tanàna kosa ianao ka milaza amin’i Absalôma hoe: Ry mpanjaka ô, te-ho mpanomponao aho; mpanompon-drainao aho taloha ka dia ho mpanomponao aho hatramin’izao, amin’izany ho voahodinao hahasoa ahy ny torohevitr’i Akitôfela.

35 Ho mpiaraka aminao ao koa i Sadôka sy i Abiatara mpisorona, ka hanambarànao izay rehetra ho renao ny amin’ny tranon’ny mpanjaka i Sadôka sy i Abiatara mpisorona.

36 Ary ao amin’izy ireo ny zanany roa lahy dia i Akimaasa zanak’i Sadôka sy i Jônatasy zanak’i Abiatara, ka ireo no hampandrenesanareo ahy izay rehetra ho renareo.»

37 Dia niverina nankany an-tanàna i Kosaia sakaizan’i Davida, ka tamin’izay indrindra no nidiran’i Absalôma tao Jerosalema.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *