Resy ny tarik’i Absalôma
1 Notsapain’i Davida ny toetry ny vahoaka tao aminy, ka nasiany tomponarivo sy tompon-jato.
2 Dia nalamin’i Davida ny vahoaka, ka ny ampahatelony, nataony fehin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Abiasia, zanak’i Sarvià, rahalahin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Etaia, Geteanina. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: «Izaho koa mba handeha hiaraka aminareo.»
3 Fa hoy ny vahoaka: «Aoka tsy handeha ianao, fa raha hampandosirina izahay raha izahay ihany dia tsy hahoany akory, na maty sasaka aza izahay, tsy ahoany akory; fa ianao kosa dia hoatra ny iray alina aminay, ka metimety kokoa raha avy atỳ an-tanàna ianao no handeha hamonjy anay.»
4 ary hoy ny navalin’ny mpanjaka azy ireo: «Izay sitrakareo no hataoko.» Dia nitsangana teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka nandritra ny nivoahan’ny vahoaka voazara ho tsizatozato sy tsiarivoarivo.
5 Izao no didy nomen’ny mpanjaka an’i Jôaba sy i Abisaia ary i Etaia: «Tsimbino ilay zatovo Absalôma noho ny amiko». Ren’ny vahoaka rehetra fa nomen’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma ny filohan’ny tafika rehetra.
6 Dia nivoaka tany an-tsaha ny vahoaka hitsena an’i Israely, ka rafitra tao anaty alan’i Efraîma ny ady.
7 Resy tao ny vahoakan’i Israely teo anoloan’ny mpanompon’i Davida, ka vonoana olona be no tao androtr’izay, fa nisy roa alina no maty.
8 Nihahaka eran’ny tany ny ady, ka be ny matin’ala noho ny matin’ny sabatra tamin’izany andro izany.
Ny nahafatesan’i Absalôma
9 Sendra teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Absalôma. Nitaingina mole i Absalôma ary nitsofoka tao anatin’ny rantsan’ny terebinta mikirindro ny mole, dia voasingotry ny terebintany lohany, dia tafahantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy, ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.
10 Hitan’ny lehilahy anankiray izany ka tonga izy nilaza izany tamin’i Jôaba nanao hoe: «Indro hitako tafahantona tamin’ny terebinta atsy i Absalôma.»
11 Dia hoy i Jôaba tamin-dralehilahy nilaza izany vaovao izany taminy: «Hitanao izy hoe ka no tsy nasianao hiankapoka terỳ? Dia tsy maintsy ho nomeko volafotsy folo sikla sy fehin-kibo iray ianao.»
12 Fa hoy ny navalin-dralehilahy tamin’i Jôaba: «Tsia, tsy mba haninji-tanana amin’ny zanaky ny mpanjaka aho, na dia volafotsy lanjan’arivo sikla aza no ho mby eo an-tanako, satria samy nandre isika ny didy nomen’ny mpanjaka anao sy i Abiatara ary i Etaia hoe: Samia ianareo mitandrina tsy haninon-tsy haninona ny zatovo, Absalôma!
13 Ka raha namadika izany namono ny ainy aho, dia tsy misy miafina amin’ny mpanjaka akory, fa na dia ny tenanao aza hitsangana hanameloka ahy.»
14 Dia hoy i Jôaba: «Tsy te handany andro aminao aho.» Dia nataony an-tanana ny lefona telo, ka ilay mbola velona tao amin’ny hazo terebinta iny i Absalôma no notsatohany tamin’ny fony.
15 Nanodidina an’i Absalôma ireto zatovo folo lahy, mpitondra fiadian’i Jôaba, dia namono nahafaty azy izy ireo.
16 Notsofin’i Jôaba ny anjomara, ka niverina avy amin’ny fanenjehana an’i Israely ny vahoaka fa nohazonin’i Jôaba ny vahoaka.
17 Dia nalainy i Absalôma ka natsipiny tao anatin’ny lavaka lehibe, tao afovoan’ny ala, ary nasiany antontam-bato lehibe dia lehibe teo amboniny. Ary samy nandositra ho any an-dainy avy i Israely rehetra.
18 Fony fahavelony, i Absalôma dia efa nanao tsangam-batoho azy, tao amin’ny lohasahan’ny Mpanjaka, fa hoy izy: «Tsy mba manan-janaka lahy hamelo-maso ny anarako aho.» Dia nataony araka ny anarany ihany ny anaran’ilay tsangam-bato, ka Ny tanan’i Absalôma no fiantsoan’ny olona azy mandrak’androany.
Nilazana i Davida
19 Ary hoy i Akimaasa, zanak’i Sadôka: «Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin’ny mpanjaka, fa nomen’i Iaveh ny rariny izy, noafahany tamin’ny tanan’ny fahavalony.»
20 Fa hoy i Jôaba taminy: «Tsy hitondra ny vaovao anio ianao fa andro hafa ianao no hitondra, fa tsy mba anio no hitondra, satria maty ny zanaky ny mpanjaka.»
21 Dia Kosita anankiray no nilazan’i Jôaba hoe: «Mandehana lazao amin’ny mpanjaka izay efa hitanao.» Niankohoka teo anatrehan’i Jôaba ilay Kosita, dia lasa nandeha faingana.
22 Mbola niteny tamin’i Jôaba anefa i Akimaasa, zanak’i Sadôka, nanao hoe: «Na ho inona na ho inona, avelao ihany aho mba hihazakazaka hanaraka ilay Kosita!» Fa hoy i Jôaba: «Ahoana ianao no te-hihazakazaka, anaka? Tsy hahita soa amin’ny fitondrana izany vaovao izany anie ianao!»
23 Fa hoy ny navalin’i Akimaasa: «Na inona na inona hitranga dia hihazakazaka ihany aho.» Ka hoy i Jôaba taminy: «Mihazakazaha àry.» Dia nihazakazaka nihazo ny lalana amin’ny tany lemakai Akimaasa, ka tafahoatra an’ilay Kosita.
24 Nipetraka teo anelanelan’ny vavahadyroa i Davida. Ary niakatra teo ambonin’ny tafon’ny vavahady, teo ambonin’ny manda ny mpitily, ka nanopy ny masony, dia nahatazana, ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka, ka izy irery ihany.
25 Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka. Ka hoy ny mpanjaka: «Raha irery izy, dia zava-baovao tsara no ao am-bavany.» Mbola tamy manatona eo ihany ilay anankiray,
26 dia nisy olona anankiray nihazakazaka hitan’ity mpitily koa, ka niantso ny mpiandry vavahady ny mpitily nanao hoe: «Indro misy lehilahy anankiray mihazakazaka ka irery ihany izy.» Dia hoy ny mpanjaka: «Vaovao tsara koa no entin’izy io.»
27 Ary hoy ny mpitily: «Hitako fa fihazakazak’i Akimaasa zanak’i Sadôka no fihazakazak’ity voalohany.» Ka hoy ny mpanjaka: «Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no iaviany.»
28 Niantso mafy i Akimaasa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Fandresena!» Izay vao niankohoka tamin’ny tany, teo anatrehan’ny mpanjaka izy, nanao hoe: «Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, fa efa nafoiny ny olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko.»
29 Dia hoy ny mpanjaka: «Mba tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, i Absalôma?» Ka hoy ny navalin’i Akimaasa: «Nahatazana vahoaka nitangorona aho, tamin’ny nanirahan’i Jôaba ny mpanompon’ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa, kanefa tsy mahalala aho na inona na inona izany.»
30 Dia hoy ny mpanjaka: «Mitanilà kely ary mitoera etsy àry ianao.» Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo.
31 Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe: «Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino zava-baovao mahafaly, fa nomen’i Iaveh anao androany ny rariny, ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.»
32 Fa hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita: «Tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, i Absalôma?» Ary hoy ny navalin’ilay Kosita: «Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko, mbamin’izay rehetra mitsangan-kanisy ratsy anao!»