Fanisam-bahoaka
1 Nirehitra tamin’i Israelyindray ny fahatezeran’i Iaveh, ka namporisihiny hamely azy ireo i Davidanataony hoe: «Mandehana isao i Israely sy i Jodà.»
2 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jôaba, filohan’ny tafika, izay teo aminy: «Mandehana tetezo ny fokon’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea, hahafantarako ny isan’ny vahoaka.»
3 Fa hoy i Jôaba tamin’ny mpanjaka: «Hampitomboin’i Iaveh Andriamanitrao anie ny vahoaka injato toy izao, ka ny mason’ny mpanjaka tompoko anie hahita izany! fa ahoana ange ny mpanjaka tompoko no mitady hafaliana manao izany?»
4 Fa nahery ny tenin’ny mpanjaka nanoha an’i Jôaba sy ny lehiben’ny tafika, ka dia nivoaka avy teo anatrehan’ny mpanjaka i Jôaba sy ny lehiben’ny tafika, hanisa ny vahoakan’i Israely.
5 Nony tafita an’i Jordany izy ireo, dia nitoby tao Arôera aloha, ankavanan’ilay tanàna, eo afovoan’ny lohasahan’i Gada, dia vao tao Jareza.
6 Dia tonga tany Galaada sy any amin’ny tanin’i Taktima-Hodsì, izy; raha efa izany dia nankany Dana-Jaana, mbamin’ny manodidina an’i Sidona.
7 Ary nalehany koa i Tiro, tanàna mimanda, mbamin’ny tanànan’ny Heveanina sy ny Kananeanina rehetra dia tafapaka amin’ny Negeban’i Jodà, any Bersabea.
8 Nony voatetiny ny tany rehetra dia niverina tany Jerosalema izy ireo, rehefa afaka ny sivy volana sy 20 andro.
9 Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 800.000, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely, ary 500.000 ny lehilahy tamin’i Jodà.
Ny pesta sy ny famelan’Andriamanitra
10 Nandre ny fony nitebiteby i Davida nony nanisa ny vahoaka, ka hoy i Davida tamin’i Iaveh: «Nahavita fahotana lehibe aho, tamin’ny nataoko! Koa ankehitriny, Iaveh ô, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.»
11 Nony ampitso, rehefa nifoha i Davida, dia tonga tamin’i Gada, mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
12 «Mandehana lazao amin’i Davida manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Zavatra telo no apetrako eo anoloanao, ka fidio izay iray hataoko aminao.»
13 Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe: «Ho tonga amin’ny taninao va ny mosary fito taona, sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalonao izay hanenjika anao va ianao; sa hasian’ny pesta hateloana ny taninao? Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an’ilay naniraka ahy.»
14 Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’i Iaveh fa be famindram-po Izy, toy izay ho azon’ny tanan’ny olombelona.»
15 Ary i Iaveh naniraka pesta any amin’i Israely, hatramin’ny marainan’izay andro izay, ka hatramin’ilay fotoana voafetra ka nahafatesana 70.000 ny olona, hatrany Dana ka hatrany Bersabea.
16 Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy. Fa nanenenan’i Iaveh ny amin’izany loza izany, ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka: «Aoka izay, fa avonkony amin’izao ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Areonà, Jeboseanina, no nitoeran’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
17 Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’i Iaveh: «Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re ho izaho sy ny mpianakavin’ikaky no hasian’ny tananao!»
Fanorenana ôtely
18 Dia tonga tao amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay, ka nanao taminy hoe: «Miakara ary manangàna ôtely ho an’i Iaveh any am-pamoloan’i Areonà Jeboseanina.»
19 Dia niakatra i Davida araka ny tenin’i Gada, araka ny nandidian’i Iaveh azy.
20 Nony nijery i Areonà dia nahatazana ny mpanjaka, sy ireo mpanompony, tamy hankatỳ aminy,
21 dia nivoaka i Areonà, ka niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny mpanjaka nanao hoe: «Inona izato nahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony?» Ary hoy ny navalin’i Davida: «Hividy ity famoloana ity aminao, hanorenana ôtely ho an’i Iaveh mba hihatahan’ny areti-mandringana amin’ny vahoaka.»
22 Dia hoy i Areonà tamin’i Davida: «Aoka halain’ny mpanjaka tompoko izany, ary aoka hateriny ho sorona izay sitrany. Indreo ny omby hatao sorona dorana, ary ny rambaramba mbamin’ny jiogan’omby hatao kitay.
23 Atolotr’i Areonà ho an’ny mpanjaka izany rehetra izany, ry mpanjaka ô!» Ary hoy i Areonà tamin’ny mpanjaka: «Hahita fitia eo imason’i Iaveh Andriamanitrao anie ianao!»
24 Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Areonà: «Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an’i Iaveh Andriamanitro aho.» Dia volafotsy 50 sikla no nividianan’i Davida ny famoloana sy ny omby.
25 Ary nanorina ôtely teo i Davida ho an’i Iaveh ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Dia nionona ny hatezeran’i Iaveh tamin’ny tany, ka nitsahatra ny areti-mandringana namely an’i Israely.