Categories
2Samoela

2Samoela 9

Hatsarampon’i Davida tamin’ilay zanak’i Jônatasy

1 Ary hoy i Davida: «Mbola misy olona amin’ny fianakavian’i Saola va, mba hasiako soa noho ny amin’i Jônatasy?»

2 Nisy mpanompon’ny fianakavian’i Saola anankiray izay kosa, atao hoe Sibà, dia nantsoina hankeo amin’i Davida izy io, ka hoy ny mpanjaka taminy: «Ianao va no Sibà?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mpanomponao!»

3 Ka hoy ny mpanjaka: «Tsy misy olona amin’ny fianakavian’i Saola intsony va, ka hanisy soa azy aho tahaka an’Andriamanitra?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Mbola misy zanaka lahin’i Jônatasy anankiray ao; fa malemy ny tongony roa.»

4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Aiza izy izay?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Indro izy ao an-tranon’i Makira, zanak’i Amiela, any Lôdabara.»

5 Dia nampanalain’i Davida mpanjaka tany an-tranon’i Makira zanak’i Amiela tany Lôdabara izy.

6 Nony tonga teo amin’i Davida i Mifibôseta zanak’i Jônatasy zanak’i Saola, dia niondrika tamin’ny tany sy niankohoka. Ka hoy i Davida: «Mifibôseta!» Ary hoy ny navaliny: «Inty ny mpanomponao.»

7 Dia hoy i Davida taminy: «Aza matahotra, fa te hanisy soa anao aho, noho ny rainao i Jônatasy. Ny tanin’i Saola rainao haveriko aminao avokoa; ary ianao hihinana amin’ny latabatro mandrakariva.»

8 Niankohoka izy, sady nanao hoe: «Zinona moa ny mpanomponao no itodihanao ny alika maty tahaka ahy?»

9 Dia nantsoin’ny mpanjaka i Sibà mpanompon’i Saola, ka hoy izy taminy: «Atolotro ny zanaky ny tomponao avokoa izay rehetra nananan’i Saola sy ny ankohonany.

10 Ka ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy, dia hanatitra ny vokatra hiveloman’ny zanaky ny tomponao, ary i Mifibôseta zanaka lahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva.» Nanan-janaka lahy 15, sy mpanompo 20, i Sibà.

11 Ary hoy i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Hataon’ny mpanomponao avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka tompoko, ny mpanompony.»

I Mifibôseta dia nihinana teo amin’ny latabatr’i Davida, toy ny iray amin’ny zanaky ny mpanjaka.

12 Nanan-janaka lahy iray mbola tanora atao hoe i Mika, i Mifibôseta; ary mpanompony avokoa izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Sibà.

13 Nonina tany Jerosalema i Mifibôseta, fa nihinana teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy; ary nikolepaka ny tongony roa.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *