Categories
2Tantara

2Tantara 29

Topy maso amin’ny fanjakan’i Ezekiasa

1 25 taona i Ezekiasa fony vao nanjaka, ary 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià zanak’i Zakariasa.

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh toy izay rehetra nataon’i Davida rainy izy.

Fanadiovana ny Tempoly

3 Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy.

4 Nampiantsoiny ny mpisorona sy ny Levita, dia novoriny teo amin’ny kianja atsinanana,

5 dia nilazany hoe: «Mihainoa ahy, ianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin’ny fitoerana masina ny loto rehetra.

6 Fa nanota ny razantsika, nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitsika izy, nahafoy Azy izy, nihodina tsy hanatrika ny fonenan’i Iaveh izy, ary niamboho Azy izy.

7 Narindriny aza ny varavaran’ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’Israely teo amin’ny fitoerana masina.

8 Ka dia nianjera tamin’i Jodà sy i Jerosalema ny fahatezeran’i Iaveh, navelany izy hianjadian’ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan’ny masonareo izao.

9 Ary noho izany, dia indro fa lavon’ny sabatra ny razantsika, lasan-ko babo ny zanaka lahintsika sy ny zanaka vavintsika mbamin’ny vadintsika.

10 Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, mba hialan’ny fahatezerany mirehitra amintsika.

11 Koa ankehitriny, anaka, aza manao tsirambina intsony ianareo, fa ianareo no efa voafidin’i Iaveh hanoloana Azy, hanompo Azy, mba ho mpanompony sy hanatitra zava-manitra ho Azy.»

12 Dia nitsangana ny Levita: i Mahata zanak’i Amasaia, i Joela zanak’i Azariasa, tamin’ny taranak’i Kaatita; tamin’ny taranaky ny Merarita, i Kisa zanak’i Abdỳ, i Azariasa zanak’i Jalaleela; tamin’ny Gersônata, i Jôah zanak’i Zemà, i Edena zanak’i Jôah;

13 tamin’ny taranak’i Elisafàna: i Samrỳ sy i Jahiela; tamin’ny taranak’i Asafa: i Zakariasa sy i Mataniasa;

14 tamin’ny taranak’i Hemàna: i Jahiela sy i Semeià; ary tamin’ny taranak’i Iditona i Semeiàsa sy i Oziela.

15 Novorin’izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon’i Iaveh, araka ny didin’ny mpanjaka, sy noho ny tenin’i Iaveh.

16 Niditra tao anatin’ny tranon’i Iaveh ny mpisorona hanadio azy, navoakany avokoa ny loto hitany tao an-tempolin’i Iaveh ho amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia noraisin’ny Levita hoentiny any an-dohasahan’i Sedrôna.

17 Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nanomboka ny fanadiovana izy; tamin’ny andro fahavalon’ny volana, niditra teo amin’ny lavarangana fidiran’i Iaveh izy, ka nandany havaloana nanadio ny tranon’i Iaveh; ary tamin’ny andro 16-n’ny volana voalohany dia vitany.

Sorona fanoneram-pahotana

18 Dia nankao amin’i Ezekiasa mpanjaka izy, nilaza hoe: «Efa voadionay avokoa ny tranon’i Iaveh, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy.

19 Ary ny fanaka rehetra novetavetain’i Akaza mpanjaka, tamin’ny andro nanjakany, tamin’ny fotoana nanotany, dia efa samy voamboatranay sy voadionay, ka eo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh izany.»

20 Koa nifoha maraina koa i Ezekiasa mpanjaka, ka namory ny lehiben’ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh.

21 Ny nateriny dia ombalahy fito, zanak’ondry fito, hatao sorona noho ny ota, ho an’ny fanjakana sy ho an’ny fitoerana masina ary ho an’i Jodà. Nasain’ny mpanjaka natolotry ny mpisorona taranak’i Aarôna teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh, ireo.

22 Dia novonoiny ny ombalahy ka noraisin’ny mpisorona ny ra, nararany teo ambonin’ny ôtely ny ra; novonoiny ny zanak’ondry dia nararany teo ambony ôtely ny ra.

23 Izay vao naroso eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan’izy rehetra tanana;

24 dia novonoin’ny mpisorona, nanaovany ny fanonerana teo amin’ny ôtely ny rany, nanaovany fanonerana ho an’i Israely rehetra, fa ho an’i Israely rehetra no nampanaovin’ny mpanjaka ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota.

25 Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.

26 Dia nilahatra ny Levita nitondra ny zava-manenon’i Davida, mbamin’ny nitondra trômpetra koa.

27 Ary nasain’i Ekeziasa natolotra teo ambonin’ny ôtely ny sorona dorana; ka vao natomboka ny sorona dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Iaveh, mbamin’ny feon-trômpetra, narahin’ny zava-manenon’i Davida mpanjakan’i Israely.

28 Niankohoka ny fiangonana rehetra, nohiraina ny hira, ary notsofina ny trômpetra, ary izany rehetra izany naharitra mandra-pahavitan’ny sorona dorana.

29 Nony vita ny sorona dorana dia nandohalika nitsaoka ny mpanjaka mbamin’izay rehetra teo aminy.

30 Ny tenin’i Davida sy i Asafa mpahita, no nasain’ny mpanjaka sy ny lehibe nideran’ny Levita an’i Iaveh, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka.

31 Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.

32 Koa ny isan’ny sorona dorana naterin’ny fiangonana dia omby 70, ondralahy 100, ary zanak’ondry 200, sorona dorana iray ihany ho an’i Iaveh avokoa ireo rehetra ireo.

33 Afa-tsy ireo, nisy omby 600, sy ondry 3.000 natokana koa.

34 Tsy nahendaka ny soronadorana rehetra ny mpisorona, fa vitsy, ka dia nampian’ny Levita rahalahiny izy, mandra-pahavitan’ny raharaha sy mandra-panamàsin’ny mpisorona sasany ny tenany, fa narisika kokoa ny Levita noho ny mpisorona tamin’ny fanamasinana ny tenany.

35 Sady ny sorona dorana moa efa betsaka; ny saboran’ny sorom-pihavanana sy ny fanatitra araraka momba ny sorona dorana koa etsy an-daniny.

Toy izany no nanaovana indray ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh.

36 Faly i Ezekiasa sy ny vahoaka tamin’izay namboarin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka; fa vita tampoka izany zavatra izany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *