Categories
Abdiasa

Abdiasa 1

Lohateny sy Sasin-teny

1 Fahitan’i Abdiasa.

Izao no nolazain’ny Tompo Iavehtamin’i Edôma:

– Nandray filazana avy amin’i Iavehizahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena:

Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. –

Teny fitsarana an’i Edôma

2 Indro ianao efa nataoko kelyeo amin’ny firenena

dia faniratsira indrindra.

3 Ny avonavon’ny fonao nahavery saina anao!

Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato,

ka ny havoana no fonenany,

dia manao anankampo hoe:

Zovy moa no hampidina ahy eny amin’ny tany?

4 Na hisondrotra ho avo toy ny voromaheryaza ianao,

ka hametraka ny akaninao eny amin’ny kintana,

dia hampidina anao avy eny Aho, – teny marin’i Iaveh. –

Famongarana an’i Edôma

5 Raha nisy tafiditra ao aminao, na ny mpangalatra,

na ny mpandroba alina

– Endrey izany faharavanao! –

moa ho tsy izay ampy azy ihany va no nongoahany?

Raha misy mpioty voaloboka tonga tao aminao,

moa dia tsy ho nasiany sisa hotsimponina va?

6 Endrey izany fisava an’i Esao!

Endrey izany fikaroka ny rakiny miafina!

7 Nanosika anaohatrany an-tsisin-tany avokoa,

ireo vita fanekena taminao;

namazivazy anao, naharesy anao ireo

izay nifaly tamin’ny fihavanany aminao;

ry zareo nihinana ny haninao,

namela-pandrika eo ambanin’ny dianao.

Tsy misy saina azo aminy.

8 Moa amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

tsy fongorako va ny olon-kendry ao Edôma,

sy ny fahazavan-tsaina ao an-tendrombohitr’i Esao?

9 Ho raiki-tahotra mafy ny mpiadinao, ry Temàna,

mba ho voafongotra rehefa mety ho lehilahy, ao an-tendrombohitr’i Esao.

10 Noho ny famonoana, noho ny fahasiahanao amin’i Jakôba rahalahinao,

dia ho safo-kenatra sy hofongorana mandrakizay ianao.

11 Tamin’ny andro nitsangananao nanandrify azy,

tamin’ny andro nitondran’ny fahavalo ny miaramilany,

sy nitsofohan’ny hafa firenena amin’ny vavahadiny,

ka nanaovany loka an’i Jerosalema,

dia toy ny iray tamin’ireny koa ianao.

12 Aza faly mijery ny andron’ny rahalahinao,

amin’ny andro idiran-doza aminy;

aza mifaly amin’ny momba ny taranak’i Jodà,

amin’ny andro andringanana azy;

ary aza dia avoavo fiteny amin’ny andron’ny fahoriany.

13 Aza miditra ny vavahadin’ny vahoakako,

amin’ny andro ahitany loza;

aza faly mijery ny fahoriany koa ianao,

amin’ny andro ahitany loza;

ary aza maninji-tanana haka ny fananany,

amin’ny andro ahitany loza.

14 Aza miandry eo am-pihaonan-dalana,

hamono ny mandositra avy any aminy;

aza manolotra ireo afa-nandositra,

amin’ny andron’ny fahoriany.

15 Fa efa akaiky ny andron’i Iaveh

amin’ny firenena rehetra;

ka toraky ny nataonao no hatao aminao;

hitsingerina ho eo an-dohanao, ny asanao.

Andron’i Iaveh, famalian’i Israely an’i Edôma

16 Fa toy ny nisotroanareoteo an-tendrombohitro masina,

no hisotroan’ny firenena rehetratsy an-kijanona koa;

hisotro izy, hitelina izy,

ary ho toy ny tsy nisy akory izy.

17 Ao an-tendrombohitr’i Siôna kosa hisy sisa nanamborana;

ho fitoerana masina izy;

ary hahazo ny fananany indray ny taranak’i Jakôba.

18 Ny taranak’i Jakôba, ho afo;

ny taranak’i Josefa, ho lelafo;

ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka;

ka harehitr’ireo izy sy holevoniny,

dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao,

fa i Iaveh no efa niteny.

I Israely vaovao

19 Ny tendrombohitr’i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba,

ary ny tanin’ny Filistinina ho an-dry zareo amin’ny Sefelah;

hanana ny faritanin’i Efraima izy ireo,

mbamin’ny faritanin’i Samaria;

ary ny any Benjamina hahalasa an’i Galaada.

20 Ireo lasan-ko babo tamin’ny tafiky ny zanak’i Israely

hahalasa ny tanin’ny Kananeanina, hatrany Sareptà.

Ary ireo lasan-ko babo tamin’i Jerosalema izay any Sefarada

hanana ny tanàna any amin’i Negeba.

21 Ka hisy Mpamonjyhiakatra ao an-tendrombohitra Siôna

hitsara ny tendrombohitr’i Esao;

ary ho an’i Iaveh ny Fanjakana.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *