Ny voninahitry ny Tempoly
1 Tamin’ny volana faha-7, andro faha-21n’ny volana, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
2 Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà, sy amin’i Jesosy zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:
3 Iza aminareo sisa velona,
no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha,
sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny?
Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?
4 Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela,
– teny marin’i Iaveh. –
Matokia, ry Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe!
Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany,
– teny marin’i Iaveh, – ary miasà!
fa momba anareo Aho, – teny marin’i Iavehn’ny tafika. –
5 Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo,
fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta;
ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.
6 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela,
no mba hanozongozonakony lanitra sy ny tany,
– mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.
7 Hanozongozona ny firenena rehetra Aho
ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra;
ary hofenoiko voninahitra ity trano ity,
hoy i Iavehn’ny tafika.
8 Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena,
– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –
9 Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity,
ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany;
ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana,
– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –
Filàna hevitra amin’ireo mpisorona
10 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
11 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mangataha amin’ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe:
12 Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. –
13 Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-patykosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.
14 – Dia niteny indray i Akjea nanao hoe:
Toy izany ity vahoaka ity,
toy izany ity firenena ity eo anatrehako, –
– teny marin’i Iaveh; –
toy izany ny asa rehetra ataon’ny tanany;
izay ateriny eo dia maloto.
Fampanantenana fahavokaran’ny tany
15 Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany;
dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa,
natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.
16 Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra,
tsy nahazo afa-tsy folo;
ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana,
tsy nahazo afa-tsy roapolo.
17 Nasiako tamin’ny vary maty fotsy,
sy ny ahi-dratsy aman-kavandra ianareo;
nasiako avokoa ny asan-tananareo;
nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,
– teny marin’i Iaveh. –
18 Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany,
ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy,
ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh,
diniho!
19 Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra?
Na ny voaloboka aza, na ny aviavy,
na ny ampongabendanitra, na ny ôliva,
tsy misy nahavokatra kely akory;
fa hatramin’izao andro izao kosa, dia hotahìko ianareo.
Fampanantenana ho an’i Zôrôbabela
20 Tonga fanindroany tamin’i Akjea ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro faha-24n’ny volana nanao hoe:
21 Lazao amin’i Zôrôbabela, governora any Jodà, hoe:
Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;
22 haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana,
hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena;
hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy;
ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy
samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.
23 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iavehn’ny tafika,
halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela,
ry mpanompoko, – teny marin’i Iaveh, –
ka hataoko toy ny fanombohan-kase;
satria efa voafidiko ianao, – teny marin’i Iavehn’ny tafika.