Categories
Amôsy

Amôsy 1

Lohateny

1 Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:

Sasin-teny

2 Hierona avy ao Siôna i Iaveh;

ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy;

ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona;

ary ny tampon’i Karmela, ho maina.

I Damasy

3 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telonataon’i Damasy,

– ary noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada

tamin’ny ambaràmbana vy,

4 dia handefaso afo ny tranon’i Hazaely

ka handevona ny lapan’i Ben-Hadada izany.

5 Homontsaniko ny hidin’i Damasa,

haringako ny mponina ao Bikata Avena,

ny mitana ny tehim-panjakana any Bet-Edena;

ary hoentina babo ho any Kirany vahoaka any Siria,»

hoy i Iaveh.

I Gazà sy i Filistia

6 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Gazà,

– sy noho ny efatra, – tsy hahemotro ny didy.

Satria olona babo an’andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany

mba hatolony ho any Edôma,

7 dia handefa ny afo anatin’ny mandan’i Gazà Aho

ka handevona ireo lapany izany;

8 haringako ny mponina rehetra ao Azota,

sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna;

dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako;

ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,»

hoy ny Tompo Iaveh.

I Tira sy i Fenisia

9 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Tira

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy,

satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy,

fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana,

10 dia handefa ny afo ao ambonin’ny mandan’i Tira Aho,

ka handevona ireo lapany izany.»

I Edôma

11 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Edôma,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy,

fa namono ny fangoraham-po

ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany

sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,

12 dia handefa afo ho ao TemànaAho

ka handevona ny lapan’i Bôsrà izany.»

I Amôna

13 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada,

mba hanitarany ny faritaniny,

14 hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i RahabaAho,

ka handevona ny lapany izany,

eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana,

sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.

15 Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany,

dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa»,

hoy i Iaveh.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *