Categories
Amôsy

Amôsy 2

I Moaba

1 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telonataon’i Moaba,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nodorany ny taolan’ny mpanjakan’i Edôma, nataony zary sokay,

2 dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho,

ka handevona ny lapan’i Kariotaizany;

ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be,

sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.

3 Hofoanako tsy hisy mpitsaraao aminy

ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpifehy ao aminy,» hoy i Iaveh.

I Jodà

4 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Jodà,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nanary ny lalàn’i Iaveh izy,

sady tsy nitandrina ny didiny,

ka nety havilivilin’ny sampin-daingany,

dia ireo izay narahin’ny razany,

5 dia handefa ny afo ho ao amin’i Jodà Aho

ka handevona ny lapan’i Jerosalema izany.»

6 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Israely

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria namidiny vola ny marina;

ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;

7 satria iriny mafy ny hahitany vovo-tany

eo an-dohan’ny olona ory;

sy ataony izay hiketrahan’nylalan’ny madinika;

satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany

mba handotoany ny Anarakomasina;

8 satria lamba azony tamin’ny tsatòkano iamparany

eny anilan’ny ôtely rehetra eny;

ary ny divay avy amin’izay nosaziny lamandy no sotroiny

ao an-tranon’nyandriamaniny.

9 Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana

izay avo be hoatra ny sedera,

sy matanjaka hoatra ny oaka.

Noravako avokoa ny voany teny ambony,

sy ny fakany teo ambany.

10 Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho,

sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra,

mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.

11 Nanangana mpaminany, tamin’ireo zanaka lahinareo Aho,

sy nazareanina tamin’ireo zatovonareo,

sa tsy izany va, ry zanak’i Israely?»

– teny marin’i Iaveh. –

12 «Kanjo ny nazareanina nampisotroinareo divay;

ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!

13 Indro Aho efa hanosihosy anareo,

hoatra ny fanosihosin’ny sarety

raha feno amboara.

14 Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra;

ary ny matanjaka, tsy hahavonjy ny ainy;

15 ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra;

ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka;

ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.

16 Ary ny mahery fo amin’ny mahery

handositra miboridanaamin’izany andro izany»,

– teny marin’i Iaveh. –

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *