Categories
Amôsy

Amôsy 3

I Israely

1 Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh

ny aminareo, ry zanak’i Israely,

ny amin’ny fianakaviana rehetra

nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, – dia ireto hoe:

2 Ianareo irery no fantatro

tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany;

ka izany no hamaizako anareo

noho ny helokareo rehetra.

Fifidianana sy sazy

3 Miara-mandeha va ny olona roa,

raha tsy efa nifanaiky izy?

4 Mierona any an’ala va ny liona,

raha tsy efa nahazo remby?

Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora,

raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?

5 Latsaka amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody,

raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao?

Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika,

raha tsy efa nahazo zavatra izy?

6 Trômpetra va no haneno ao an-tanàna,

ka tsy hivadi-po ny vahoaka?

Misy lozatonga amin’ny tanàna va,

raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?

7 Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh,

raha tsy efa nanambara ny heviny miafina

tamin’ny mpaminany mpanompony.

8 Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra?

Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?

Nihasimba i Samaria ka ho levona

9 Ampandrenesoeo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao,

ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa,

ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo,

ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy,

sy izato fahasiahana ao anatiny.»

10 Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo,

– teny marin’i Iaveh, –

dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana

ao anatin’ny lapany.

11 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

«Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy,

ka ny herinao hendahany aminao;

ary ny lapanao ho voaroba.»

12 Izao no lazain’i Iaveh:

«Toy ny fanatsoakan’ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan’ny liona

ny ranjo roa na tendron-tsofina iray,

no famonjy ny zanak’i Israely

izay mipetraka ao Samaria,

eo an-joron’ny sezabe, eo ambonin’ny ondana

avy any Damasy.»

Teny mamely an’i Betela sy ireo tranony mierinerina

13 Mihainoa ianareo ka lazao marina

eny amin’ny taranak’i Jakôba,

– teny marin’ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika: –

14 Amin’ny andro hamaliako an’i Israely noho ny fandikany ny lalàna,

no hamaliako ny momba an’ireo ôtely ao Betela koa;

hokapaina ny tandroky ny ôtely ka hianjera amin’ny tany.

15 Hasiako ny trano ririninaaman-trano fahavaratra;

hosimbana ny trano ivoara

ary horavàna ny trano maro – teny marin’i Iaveh. –

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *