Fahitana voalohany: ny valala
1 Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko,
dia indro Izy fa namorona valala,
tamin’ny fotoana vao itsimohan’ny kolokolo,
dia ny kolokolo avy nijinjana ho an’ny mpanjaka.
2 Nony tapitra lanin’ireny avokoa ny ahitra amin’ny tany,
dia hoy aho: «Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka!
Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»
3 Ary nanenina amin’izay i Iaveh.
«Tsy hisy izany» hoy i Iaveh.
Fahitana faharoa: ny afo
4 Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko:
dia indro tonga i Iaveh hanasazy amin’ny afo,
dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo,
sy nandevona ny anjara-lovan’ny Tompo.
5 Ka hoy aho: «Mba mitsahara, ry Tompo Iaveh ô!
Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»
6 Nanenina i Iaveh.
«Tsy hisy izany koa,» hoy ny Tompo Iaveh.
Fahitana fahatelo: ny kofehy pilao
7 Izao no nasehon’i Iaveh tamiko:
dia indro fa nitsangana teo ambonin’ny rindrina mijoro ny Tompo
ary nisy hofehy pilao teny an-tanany.
8 Hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Amôsy?»
Ka namaly aho hoe: «Kofehy pilao».
Dia hoy ny Tompo: «Indro Aho manisy ny kofehy pilao,
eo amin’i Israely vahoakako;
fa tsy hamela ny helony intsony.
9 Ny fitoerana avon’i Isaakaho foanana;
ny fitoera-masin’i Israely horavana;
ary hitsangana hamely ny taranak’i Jerôbôamaamin’ny sabatra Aho.»
Voaroaka hiala tao Betela i Amôsy
10 Ary i Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely hoe: «Mitetika ny hikomy aminao eo amin’ny taranak’i Israely i Amôsy; tsy zakan’ny tany intsony ny teniny rehetra.
11 Satria izao no tenin’i Amôsy: ‹I Jerôbôama ho fatin’ny sabatra; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
12 Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy: «Ry mpahitaô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.
13 Fa aza maminany atỳ Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atỳ, ary tranom-panjakana.»
14 Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa: «Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy.
15 Ary nalain’i Iaveh tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’i Iaveh tamiko hoe: ‹Mandehana ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako.›
16 Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin’i Iaveh ianao: Hoy ianao hoe: ‹Aza maminany ny hamelezana an’i Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak’i Isaaka!…›
17 Koa izao no lazain’i Iaveh:
‹Ny vadinao hovetavetainaao an-tanàna;
ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra;
ny taninao, hozarainaamin’ny famolaina,
ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto;
ary i Israely hoentin-ko babohiala amin’ny taniny.› »