Categories
Amôsy

Amôsy 8

Fahitana fahefatra: Ny Voankazo masaka iray harona

1 Izao no nasehon’ny Tompo Iavehtamiko:

dia indreto voankazo masaka iray sobiky.

2 Ary hoy izy: «Inona no hitanao, ry Amôsy?»

Dia hoy ny navaliko: «Voankazo masakairay sobiky.»

Ka hoy i Iaveh tamiko: «Tonga ny farany

ho an’i Israely vahoakako:

Tsy hamela azy intsony Aho, izao sisa izao.

3 Amin’izany andro izany, ny hira ao an-dapa

ho zary finaonaonana

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Ny faty ho betsaka,

ary hazera hatraiza hatraiza amim-panginana ireny.»

Ireo mpanambaka sy mpifetsy

4 Mihainoa izao ianareo mihinana ny mahantra,

sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany,

5 manao hoe:

Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana;

mba hahazoantsika mivarotra vary;

ary ny sabatamba hamohantsika ny tranom-bary,

ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina;

ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.

6 Dia hovidintsika vola ny fadiranovana,

ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy,

sady hivarotantsika ny vary loha-kororòka?

7 Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba i Iaveh:

Raha hohadinoikomandra-piavin’ny farany,

izay rehetra nataon’izy ireo.

8 Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany,

ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy?

Hisondrotra tahaka an’i Nilany tany manontolo,

hisondrotra sy hietry tahaka an’i Nilan’i Ejipta izy.

Fanambaràna famaizana mahagaga: Haizina sy fisaonana

9 Amin’izany andro izany, izao no hitranga,

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Ny masoandro halentiko mitatao vovonana;

ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.

10 Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana;

ny hira fifalianareo, ho fitomaniana;

ny andilana rehetrahosikinako lasàka,

ny loha rehetra hataoko sola;

ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana;

ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.

Hetaheta ny Tenin’Andriamanitra

11 Indro tamy ny andro,

– teny marin’ny Tompo Iaveh, –

hanirahako hanoananaamin’ny tany;

tsy mba hanoanana momba ny mofo,

na hetaheta momba ny rano,

fa ny faniriana te-handre ny tenin’i Iaveh.

12 Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina,

ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo,

hatrany amin’ny avaratra, ka hatrany amin’ny atsinanana;

hivezivezy atsỳ arỳ, hitady ny tenin’i Iaveh,

nefa tsy hahita izany izy ireo.

Fanambaràna famaizana indray

13 Amin’izany andro izany, dia ho reraka ny virjiny tsara tarehy,

mbamin’ny tovolahy, azon’ny hetaheta.

14 Ry zareo, mianiana amin’ny fahotan’i Samaria,

ka manao hoe: Amin’ny Andriamanitrareo, ry Dàna!

Amin’ny lalan’iBersabea!

dia samy ho lavo tsy haharina intsony.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *