1 «Ry Tompo tsitoha Andriamanitr’i Israely ô, fanahy ory sy saina poritra no mitaraina aminao.
2 Mihainoa, ry Tompo, ary mamindrà fo, fa nanota teo anatrehanao izahay,
3 fa Ianao mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay; ary izahay dia maty tsy an-kifody.
4 Ry Tompo tsitoha Andriamanitr’i Israely, henoy ny vavak’ireto maty amin’i Israely sy ny taranak’ireo nanota teo anatrehanao, fa tsy nihaino ny feon’ny Andriamaniny ireny, ka fototr’izao loza mipetraka aminay izao.»
5 Aza tsarovanao intsony ny helokyny razanay, fa ny herinao sy ny Anaranao no tsarovy amin’izao fotoana izao.
6 Satria Ianao no Tompo Andriamanitray, ka hidera Anao izahay, ry Tompo.
7 Izany no nanaovanao ao am-ponay ny fahatahorana Anao, mba hiantsoanay ny Anaranao; dia hideranay Anao atỳ amin’ny fahababoanay; fa nesorinay tao am-ponay ny heloky ny razanay, izay nanota teo anatrehanao.
8 Indreto izahay ankehitriny, atỳ amin’ny fahababoanay, nanelezanao anay, hatao fandatsa, sy fanozona ary onitra, araka ny heloka rehetra nataon’ny razanay, izay nihataka tamin’ny Tompo Andriamanitray.
III NY FAHENDRENA, TOMBON-TSOA NOMENA AN’I ISRAELY
9 Mihainoa, ry Israely, ny lalàm-piainana;
manongilàna sofina, hianatra ny fahamalinana.
10 Ahoana sy ahoana ange, ry Israely, ity ianao
no atỳ amin’ny tanim-pahavalo;
ka reraka atỳ amin’ny tanin’ny firenen-kafa,
sy mandoto tena amin’ny maty,
11 ka atao ho anisan’izay efa tafiditra any amin’ny Seoly?
12 Nandao ny loharanom-pahendrena Ianao,
13 satria, raha nandeha tamin’ny lalan’Andriamanitra ianao,
dia ho nitoetra tamin’ny fiadanana mandrakizay!
14 Fantaro izay misy ny fahendrena,
sy ny hery, ary ny fahazavan-tsaina,
mba ho fantatrao miaraka amin’izany koa
izay misy ny fahazavana ho an’ny maso, sy ny fiadanana.
15 Iza no efa nahita ny toerana misy ny fahendrena;
ary zovy no efa niditra tao amin’ny firaketany?
16 Aiza ny mpanapaka ny firenena,
mbamin’izay nahafolaka ny bibin’ny tany,
17 sy izay nilalao ny voromanidina,
18 sy nanangona volafotsy amam-bolamena,
izay anankinan’ny olombelona ny fitokiany
sady tsy misy farany ny fananany?
Ireo olona manangona vola, sy misahiranaamin’izany,
tsy ho hita soritra akory ny asa nisasarany!
19 Fa lasa izy, nidina any amin’ny Seoly,
ary hafa no mitsangana mandimby azy.
20 Nisy ihany zatovo nahita ny fahazavana,
ka nonina teto ambonin’ny tany,
nefa tsy nahita ny lalan’ny fahendrena izy;
21 na nahalala ny sakeli-dalana akory;
ny zanany koa tsy nahazo an-tsaina azy io;
lavitra ny lalany izy ireo.
22 Tsy re nolazaina tany amin’ny tany Kanaana izy,
na hita tany Temàna.
23 Ireo zanak’i Agaraizay mitady ny fahendren’ny tany,
ireo mpandranto avy any Merà sy Temàna;
ireo mpivaofy fanoharana sy ireo mpikaroka fahamalinana,
tsy misy nahalala izay lalan’ny fahendrena,
na nahatadidy ny sakeli-dalany akory.
24 Ry Israely ô, akory ny halehiben’ny tranon’i Iaveh,
akory ny halalaky ny tany anjakany!
25 Malalaka tsy misy fetra izy,
sady avo tsy hita lany.
26 Tany, hatramin’ny fahiny fahagola, no nitoeran’ireo olo-malaza goavam-be,
ranjanana sy mahay amin’ny ady.
27 Nefa tsy izy ireo no nofidin’Andriamanitra,
ary tsy izy ireo no natorony ny lalan’ny fahendrena.
28 Dia maty izy, fa tsy nanana ny fahalalana marina,
maty izy, noho ny hadalany.
29 Iza no niakatra tany an-danitra, ka nisambotra ny fahendrena
sy nampidina azy avy amin’ny rahona?
30 Iza no nita ny ranomasina, ka nony nahita azy
dia nitondra azy notambazana volamena madio indrindra?
31 Tsy misy olona mahalala ny lalany,
na mba namantatra tsara izay sakeli-dalany akory.
32 Fa Ilay mahalala ny zavatra rehetra no mahalala azy;
Izy no mahita azy amin’ny fahiratan-tsainy,
dia Ilay nanorina ny tany ho mafy mandrakizay,
sy nameno azy ireo biby manan-tongotra efatra;
33 Ilay maniraka ny fahazavana, dia lasa io,
sy miantso azy, dia manaiky amim-pangovitana izy.
34 Ireo kintana mamirapiratra eo amin’ny fitoerany,
ka mifaly erỳ,
35 dia antsoiny ka mamaly hoe: Indreto izahay!
dia mamirapiratra amin-kafaliana ireo, ho an’Ilay nahary azy.
36 Izy no Andriamanitsika
ary tsy misy hafa mitovy aminy.
37 Nahita ny lalan’ny fahendrena rehetra Izy
ka nanome izany ho an’i Jakôba mpanompony,
sy ho an’i Israely olo-malalany.
38 Raha efa izany, dia niseho teto an-tany Izy
ka niresaka tamin’ny olombelona.