1 Ny fahendrena dia ilay bokin’ny didin’Andriamanitra
sy ny lalàna maharitra mandrakizay.
Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin’ny fiainana,
fa izay mandao azy kosa ho any amin’ny fahafatesana.
2 Miverena, ry Jakôba, sy mifikira aminy,
ary mizora amin’ny fahazavany mamirapiratra.
3 Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrao,
na ho an’ny firenen-kafa ny tombon-tsoanao.
4 Sambatra isika, ry Israely ô,
fa nanambaràna izay sitrak’Andriamanitra!
IV TARAINA AMAM-PANANTENAN’I JEROSALEMA
5 Matokia, ry oloko,
fahatsiarovana an’i Israelyô!
6 Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena,
tsy mba ny haringana;
fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,
no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.
7 Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,
tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,
fa tsy tamin’Andriamanitra.
8 Nanadino an’Ilay namela anareo ianareo,
dia Andriamanitra mandrakizay,
ary nampalahelo an’Ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;
9 Fa hitany miantefa aminareo
ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:
Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,
fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.
10 Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;
sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.
11 Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,
fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.
12 Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondratena
sy nilaozan’ny maro be!
Efa lao aho, noho ny fahotan’ireo zanako,
satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra;
13 tsy nasiany raharaha ny didiny,
tsy nandeha tamin’ny lalan’ny didin’Andriamanitra,
ary tsy nanaraka ny lalan’ny fahaiza-manaiky,
araka ny fahamarinana.
14 Aoka ho avy ny mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna!
Tsarovy ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy,
izay nampiharin’ny Mandrakizay tamin’izy ireo.
15 Fa nasainy tonga hamely azy ireo ny firenena avy lavitra,
firenena masiaka, manao teny barbarianina,
16 tsy mahalala manaja ny anti-panahy,
na mangoraka ny ankizy madinika,
fa nifaoka ny malalan’ny mpitondratena
sady namela ahy ho irery voasaraka tamin’ny zanako vavy.
17 Ary hataoko ahoana moa ny famonjy anareo?
18 Ilay nahatonga izany loza izany taminareo,
dia Izy ihany no hanafaka anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo.
19 Mandehana, anaka, mandehana,
fa izaho tafajanona irery!
20 Nesoriko ny akanjo fitondra amin’ny andro firavoravoana,
fa ny lasàkan’ny fifonako no nitafiako;
hitaraina amin’ny Avo Indrindra aho, mandritra ny andro iainako.
21 Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,
ary Izy hanafaka anareo amin’ny fahefana
sy amin’ny tanan’ny fahavalonareo.
22 Ilay Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo,
ka tonga amiko ny hafaliana avy amin’ilay Masina, noho ny famindram-po
hataon’ilay Mandrakizay, Mpamonjy anareo, ho tonga aminareo.
23 Izaho namela anareo handeha tamin-dranomaso amam-pisaonana;
fa Andriamanitra kosa hamerina anareo amiko, amin-kafaliana
sy amim-piravoravoana ho mandrakizay.
24 Toy ny nahitan’ireo mifanolo-bodirindrina
amin’ny Siôna ny fahababoanareo
no hahitanay faingana ny famonjena anareo, amin’Andriamanitra,
izay ho tonga aminareo amim-boninahitra lehibe,
sy amin-daza mamirapiratra ho an’ilay Mandrakizay.
25 Anaka, lefero amim-pahendrena ny fahatezeran’Andriamanitra tonga aminareo.
Ny fahavalonareo nanenjika anareo;
fa vetivetydia ianareo kosa indray no hahita ny faharavàny,
sy hanitsaka ny hatony, amin’ny tongotrareo.
26 Nandia lalana maraorao ny zanako malemilemy indrindra;
notsoahana toy ny andian’ondry norobain’ny fahavalo izy ireo.
27 Matokia, anaka, ary miantsoa ny Tompo;
fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.
28 Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra
no hikatsahanareo azy amin-kafanam-po impolo heny
rehefa tafaverina aminy ianareo.
29 Satria ilay nahatonga loza taminareo,
dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa
amin’ny famonjena anareo.
30 Matokia, ry Jerosalema,
fa hampionona anao Ilay nanome anao ny Anarany.
31 Loza ho an’izay nanisy ratsy anao,
sy nifaly tamin’ny fahavalonao!
32 Idiran-doza izay tanàna naha-andevo ny zanako!
Idiran-doza izay nandray azy ireo ho babo!
33 Toy ny nifaliany tamin’ny faharavanao,
sy nihobiany tamin’ny fahalavoanao,
no halahelovany amin’ny faharinganany.
34 Hesoriko aminy ny hafaliany noho ny hamaroan’ny mponina ao aminy,
dia hiova ho fisaonana ny reharehany.
35 Hisy afo avy amin’ilay Mandrakizay, ho tonga aminy
ho amin’ny andro lava,
ary mandritra ny andro ela
dia ho fonenan’ny fanahy ratsy izy.
36 Mijere miantsinanana, ry Jerosalema,
ka jereo ity hafaliana tonga aminao, avy amin’Andriamanitra.
37 Fa indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha taloha,
tonga izy, tafavory hatrany atsinanana ka hatrany andrefana
amin’ny feon’Ilay Masina,
miravoravo amin’ny voninahitr’Andriamanitra.