1 Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;
fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra
tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy.
2 Mihodidìna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,
ataovy eo an-dohanao ny hamamin’ny voninahitr’ilay Mandrakizay.
3 Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao,
amin’ny tany rehetra, ambanin’ny lanitra.
4 Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:
Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka.
5 Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoanao,
mitazàna miantsinanana,
ka jereo irerỳ zanakao tafavory noho ny tenin’ilay Masina,
hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,
miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.
6 Mandeha tongotrano nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;
fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,
hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.
7 Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa
rehefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola,
ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hamarin-tampona ny tany,
mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana,
ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.
8 Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,
nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa
noho ny didin’Andriamanitra.
9 Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely,
amin’ny fahazavan’ny voninahiny,
hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.
Kôpian’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia an’ireo hoentin’ny mpanjakan’ny Babilônianina ho babo any Babilôna, milaza amin’izy ireo ny nasain’Andriamanitra ambara aminy.