Categories
Deterônômy

Deterônômy 13

Aza manaraka ny fanompoan-tsampy

1 Raha misy mpaminany na mpanonofy mitranga eo aminao, milaza famantarana na zava-mahatalanjona aminao,

2 sady tanteraka tokoa ny famantarana na ny zava-mahatalanjona nolazainy, nataony hoe: Andeha hanatona andriamani-kafa sy hanompo azy, nefa andriamanitra tsy fantatrao izany,

3 dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo i Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an’i Iaveh Andriamanitrareo amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra ianareo.

4 I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy.

5 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, sy nanafaka anao tany amin’ny trano fanandevozana, no efa notorìny mba hampivily anao amin’ny lalana nasain’i Iaveh Andriamanitrao alehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.

6 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny vehivavy izay am-pofoanao, na ny sakaiza toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, diaandriamanitratsy fantatrao na ny razanao akory,

7 anisan’ireo ny andriamanitry ny vahoaka manodidina anao na akaiky na lavitra, hatramin’ny faran’ny tany rehetra,

8 dia aza mety hotaominy na mihaino azy, aza miantra maso azy, na mitsitsy azy, na manarontsarona azy,

9 fa vonoy ho faty izy, ka ny tananao mihitsy no aoka hiainga voalohany hamely azy ho faty vao ny tanan’ny vahoaka rehetra.

10 Tonafy vato izy mandra-pahafaty azy, fa efa nitady hampiala anao amin’i Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.

11 Ary handre izany i Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony.

12 Raha ny iray amin’ny tanàna nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao honenana no lazain’ny olona anao hoe:

13 Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo,

14 dia manaova famotorana sy anontanio tsara. Fa raha marina izany ary voaporofo izany zavatra izany, raha tanteraka teo afovoanao izany fahavetavetana izany,

15 dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra.

16 Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony.

17 Rehefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin’ny tananao, mba hiononan’i Iaveh amin’ny firehetan’ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny ianao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao,

18 raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fitandremana ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, amin’ny fanaovana izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *