Ny fisoronana levitika
1 Ny mpisorona levitika, ny fokon’i Levì rehetra dia tsy mba hanana anjara na lova miaraka amin’i Israely, fa ny soron’i Iaveh atao amin’ny afo sy izay lova avy aminy no hiveloman’izy ireo.
2 Tsy mba hanan-dova eo amin’ny rahalahiny izy, fa i Iaveh no lovany, araka ny efa voalazany tamin’izy ireo.
3 Izao no anjaran’ny mpisorona avy amin’ny vahoaka amin’izay misorona omby na ondry: omena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny.
4 Homenao azy koa ny santatry ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao ary ny santatry ny volon’ondrinao;
5 satria izy no voafidin’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’ny fokonao rehetra, hitoetra eo anatrehan’i Iaveh sy hanao ny fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh, dia izy sy ny zanany mandrakizay.
6 Raha misy Levita miala amin’ny anankiray amin’ny tanànanao, amin’izay fitoerana onenany ao amin’i Israely na aiza na aiza, ka tonga araka ny fanirian’ny fony amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh,
7 sy manao fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny, toraky ny rahalahiny rehetra, ny Levita, izay mitoetra eo anatrehan’i Iaveh,
8 dia hanana anjara fivelomana toraky ny an’ireo koa izy, afa-tsy izay azony amin’ny fivarotana ny anjara lovany.
Ny mpaminany
9 Rehefa tafiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra maka tahaka ny fahavetavetan’ireo firenena ireo.
10 Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody,
11 mila hevitra amin’ny mpamoha angatra sy amin’ny mpamosavy ary manontany ny maty;
12 fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.
13 Aoka ho marina tanteraka amin’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
14 Fa ireo firenena horoahinao no mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy, fa ianao kosa tsy avelan’i Iaveh Andriamanitrao hanao izany.
15 Hanangana mpaminany anankiraytahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, i Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy.
16 Izany no nangatahinao tamin’i Iaveh Andriamanitrao tany Horeba, tamin’ny andro nivoriana, nataonao hoe: Aoka tsy ho ny feon’i Iaveh Andriamanitro intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
17 Dia hoy i Iaveh tamiko: Tsara ny voalazan’izy ireo.
18 Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.
19 Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany.
20 Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany.
21 Ary raha ianao hanao anakam-po hoe: Ahoana no hahalalantsika izay teny tsy nolazain’i Iaveh?
22 Rehefa miteny amin’ny Anaran’i Iaveh ny mpaminany, nefa tsy tonga, ary tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia izany no teny tsy nolazain’i Iaveh: fiavonavonana no nilazan’ny mpaminany izany; aza matahotra azy ianao.