Categories
Deterônômy

Deterônômy 21

Vono olona tsy hita fotony

1 «Raha misy maty vonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao hanananao azy, ka tsy fantatra izay namono azy,

2 dia aoka ny loholona ama-mpitsaranao handeha handrefy ny anelanelan’ny tanàna manodidina sy ny toerana misy ny faty.

3 Ary ny amin’ny tanàna akaikin’ny faty indrindra dia halain’ny loholona amin’izany tanàna izany ny vantotr’ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina, na nitari-javatra amin’ny jioga,

4 ka hitondra azy midina amin’ny sakeli-drano tsy ritra amin’ny fitoerana tsy mbola voavoly na voafafy, ary ao no hamolahany ny hatoky ny vantotr’ombivavy ao amin’ny sakeli-drano.

5 Dia hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, fa ireo no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitrao; ary araka ny tenin’izy ireo no hitsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra.

6 Hanasa ny tanany eo ambonin’ilay vantotr’ombivavy voafola-katoka teo amin’ny sakeli-drano ny loholona rehetra amin’ny tanàna akaikin’ny faty indrindra,

7 dia hiteny izy ireo, ka hanao hoe: Tsy nandatsaka ity ra ity ny tananay, ary tsy nahita izany ny masonay.

8 Ry Iaveh ô, avelao ny helok’i Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan’i Israely vahoakanao ny ra tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin’izy ireo izany ra izany.

9 Izany no hanesoranao eo afovoanao ny ra tsy manan-tsiny, amin’ny fanaovanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.»

Vehivavy babo

10 «Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka atolotr’i Iaveh Andriamanitrao eo an-tananao izy ary misy azonao sambo-belona izy ireo,

11 ka mahita vehivavy tsara tarehy anankiray amin’ny babo ianao, ka raiki-pitia azy sy maniry hanambady azy,

12 dia ento miditra ao anatin’ny tranonao izy. Amin’izay ny lohany haratany, ny hohony halany,

13 ny fitafiany tamin’ny nahababo azy havelany, ary izy hitoetra ao an-tranonao, hitomany ny ray aman-dreniny iray volana izy; raha efa izany dia handeha aminy ianao, ka ianao ho vadiny, izy ho vadinao.

14 Ary raha avy izay tsy hankasitrahanao azy intsony, dia avelao izy handeha amin’izay tiany, fa tsy ho azonao amidy vola, tsy hoentina toy ny andevo, satria efa novinadinao izy.»

Fizokiana

15 «Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak’ity halany,

16 dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak’ilay tiany ho solon’ny zanak’ilay halany amin’ny andro andidiany ny fananany ho an-janany, satria izy no tena lahimatoa.

17 Fa ny zanak’ity tsy tiany ihany no hataony lahimatoa, sy homeny anjaran-droa amin’ny ananany rehetra, satria santatry ny fahatanjahany io zanany io, ka an’io ny fizokiana.»

Zanaka manohitra

18 «Raha misy olona manan-janaka lahy maditra sy manohitra, tsy henoiny akory izay feon-drainy na feon-dreniny, ary na faizin’ireo aza izy dia tsy henoiny,

19 dia hosamborin-drainy aman-dreniny izy, ka hoentiny amin’ny loholon’ny tanàna, eo am-bavahadin’nyfitoerana onenany,

20 ary holazainy amin’ny loholon’ny tanàna hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra, tsy mihaino ny feonay, fa manaram-po amin’ny fahalotoana amam-pimamoana.

21 Dia hitora-bato azy ny olona rehetra eo an-tanànany ka ho faty izy. Ary izany no hamongorana ny ratsy eo afovoanao, ary handre izany i Israely rehetra ka hatahotra.»

Fepetra samihafa

22 «Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin’ny hazo,

23 dia tsy hiloaka alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy alevinao mihitsyandrotr’iny ihany, satria hiharan’ny fanozonan’Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoina ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lova.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *