1 «Tsy hisy olona haka ny vadin-drainy na hanainga ny firakofan-drainy.»
Ireo atao tsy anisan’ny fiangonana
2 «Izay torotoro vihy na tapa-pilahiana, dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh.
3 Ny teraka amin’ny fanambadiana mahadiso, dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh. Na dia ny taranany fahafolo aza tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh.
4 Ny Amônita sy ny Moabita dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh, na dia hatramin’ny taranany fahafolo aza, dia tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh na oviana na oviana; satria tsy tonga nitsena hanina sy rano anareo izy teny an-dalana, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta: sady nampaka sy nanamby vola an’i Balaama, zanak’i Beôra avy any Petôra, any Mesôpôtamia, hanozona anao.
5 Saingy tsy nihaino an’i Balaama i Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao i Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan’i Iaveh Andriamanitrao anao.
6 Aza manan-draharaha amin’izay hahitany soa na hiadanan’izy ireo, na oviana na oviana, raha mbola velona koa ianao.
7 Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:
8 azo raisina hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh ny zaza nateraka avy amin’izy ireo, hatreo amin’ny taranaka fahatelo.»
Fahadiovan’ny toby
9 «Raha mandeha am-pitobiana hiady amin’ny fahavalonao ianao, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.
10 Raha misy olona tsy madio eo aminao noho ny zava-mahazo azy tamin’ny alina, dia hivoaka ny toby izy ary tsy hiditra ao amin’ny toby,
11 fa handro amin’ny rano izy nony harivariva ary hahazo miditra ny toby rehefa maty masoandro.
12 Aoka hisy toerana iray any ivelan’ny toby ka ho ao no hivoahanao,
13 ary asio lapely iray ny fitaovanao hihadianao lavaka, rehefa hipetraka any ivelany ianao, ka nony avy eo, dia totofy ny fivalananao.
14 Fa nandeha eo afovoan’ny tobinao i Iaveh Andriamanitrao, mba hiaro anao hampanaiky resy ny fahavalonao eo anoloanao, ka tsy maintsy ho masina ny tobinao, ka tsy hahitan’i Iaveh zava-tsy mety ao aminao, mba tsy hialany aminao.»
Fiarovana ny Israelita
15 «Aza atolotra ny tompony intsony, ny andevo milefa mialoka ao aminao.
16 Aoka izy hitoetra eo aminao, eo amin’ny taninao, amin’ny toerana hofidiny, amin’ny anankiray amin’ny tanànanao, amin’izay mahafinaritra azy; aza mampahory azy ianao.
17 «Aoka tsy hisy mpijangajanga amin’ny zanakavavin’i Israely, aza misy mpijangajanga ny zanakalahin’i Israely.
18 Aza misy enti-manefa voady any an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan’alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo.
19 «Aza mampanàna amin’ny rahalahinao na vola, na hanina, na zavatra hafa azo ampananaina.
20 Ny olon-kafa firenena no azonao ampananàn-javatra, fa aza mba mampanàna amin’ny rahalahinao, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao, amin’izay rehetra hataonao, any amin’ny tany hidiranao hanananao azy.
21 «Raha mivoady amin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa izany, fa raha tsy izany dia hampamoahin’i Iaveh Andriamanitrao mihitsy ianao ny amin’izany, ka hivesatra fahotana.
22 Raha tsy mivoady ianao, dia tsy hisy fahotana ao aminao.
23 Fa ny teny naloaky ny vavanao dia tandremo sy efao, araka ny voady nataonao an-tsitrapo tamin’i Iaveh Andriamanitrao sy notononin’ny vavanao.
24 «Raha miditra ny tanimboaloboky ny namanao ianao, dia mahazo mihinam-boaloboka araka izay tianao sy hivoky amin’izany, nefa aza misy ataonao ao an-tsobikanao.
25 Raha mamaky tanimbarin’ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-baryamin’ny tananao, fa tsy hijinjanao amin’ny antsy ny varin’ny namanao.»