Fanoratana ny lalàna
1 Ary i Môizy sy ny loholon’i Israely dia nanome izao didy izao tamin’ny vahoaka: Tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio.
2 Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao dia manangàna vato lehibe ka hosory sokay,
3 ary soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianareo, mba hidiranao eo amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, izay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitry ny razanao taminao.
4 Any an-tendrombohitra Hebalano hatsanganareo ireo vato nandidiako anareo androany ireo rehefa tafita an’i Jordany ianareo, dia hosoranao sokay izy.
5 Ary handrafitra ôtely eo ianao ho an’i Iaveh, dia ôtely vato tsy voapai-by.
6 Vato tsy voavoatra no handrafetanao ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, ary manatera sorona dorana eo amboniny ho an’i Iaveh Andriamanitrao.
7 Manatera sorom-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao.
8 Ary soraty amin’ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ity lalàna ity ka ataovy velona tsara ny soratra.
9 Dia niteny tamin’i Israely rehetra i Môizy sy ireo mpisorona levitika ka nanao hoe: Mangina ka mihainoa, ry Israely: Androany no efa tonga vahoakan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
10 Koa henoy ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, araho ny didy aman-dalàny izay andidiako anao anio.
11 Nomen’i Môizy didy ny vahoaka androtr’izay nataony hoe:
12 Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, dia ireto no hitoetra hitso-drano ny vahoaka ao an-tendrombohitra Garizima: I Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Josefa ary i Benjamina;
13 ary ireto no hitoetra hanozona ao an-tendrombohitra Hebala: I Robena, i Gada, i Asera, i Zabolôna, i Dana, ary i Neftalì.
14 Dia hiteny ny Levita, ka amin’ny feo avo no hilazany amin’ny olona rehetra ao amin’i Israely hoe:
15 Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
16 Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
17 Aoka ho voaozona izay mamindra ny orim-baton’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
18 Aoka ho voaozona izay mamery lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
19 Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
20 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny vadin-drainy fa manainga ny firakofan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
21 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny biby, na biby inona na biby inona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
22 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
23 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
24 Aoka ho voaozona izay mamono an-takona ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
25 Aoka ho voaozona izay mandray kolikoly mba hamono aina, dia ny ra tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
26 Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.