Fampahatsiahivana ny Eksaody sy ny fanekem-pihavanana
1 Niantso an’i Israely rehetra i Môizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon’i Iaveh teo imasonareo, tany amin’ny tany Ejipta, tamin’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
2 dia ny fizahan-toetra lehibe, ireo famantarana amam-pahagagana lehibe efa hitan’ny masonao.
3 Mandrak’androany anefa dia mbola tsy nomen’i Iaveh fo mahalala sy maso mahita ary sofina mahare ianareo.
4 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an’efitra; nefa ny fitafiana teny an-koditrareo tsy tonta, ny kapa tamin’ny tongotrareo tsy tonta,
5 tsy mofo nohaninareo, tsy divay na labiera nosotroinareo; mba hahazoanareo mahalala fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
6 Toy izany no nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity. Nivoaka nitsena antsika hiady tamintsika i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, sy i Oga mpanjakan’i Basàna, fa resintsika
7 ka nalaintsika ny taniny, dia nomentsika ho zaratanin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’ny Manasita.
8 Koa tandremo àry ny tenin’ity fanekena ity, ary araho izy, mba hahomby ianareo, amin’izay rehetra hataonareo.
9 Miseho eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo, ny fokonareo, ny loholonareo, ny mpifehy anareo, ny lehilahy rehetra amin’i Israely,
10 ny zanakareo sy ny vadinareo ary ny vahiny eo an-tobinao hatramin’ny mpikapa hazonao ka hatramin’ny mpantsaka ranonao,
11 mba hiditra amin’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrao, sy amin’ny fianianany; dia nyfanekenaizay ataon’i Iaveh Andriamanitrao aminao anio,
12 mba hanandratany anao anio ho vahoakany, dia Izy no ho Andriamanitrao, araka ny nolazainy taminao sy nianianany tamin’ny razanao Abrahama sy Isaaka ary Jakôba.
Ho an’ny taranaka ho avy koa ny Fanekem-pihavanana
13 Tsy aminao ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao
14 fa amin’izay rehetra eto amintsika anio, eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika, sy amin’ireo tsy eto amintsika anio koa na iza na iza.
15 Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay namakiantsika ny tanin’ny firenena izay nandalovanareo;
16 efa hitanareo ny fahavetavetan’izy ireo sy ny sampy vato aman-kazo, volafotsy amam-bolamena, tany amin’izy ireo.
17 Koa aoka tsy hisy aminareo anio, na lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily miala amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho fototra hiteraka poizina sy absinta.
18 Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.
19 Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany i Iaveh, fa hirehitra amin’izany olona izany ny fahatezeran’i Iaveh sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity, ary hovonoin’i Iaveh tsy ho eto ambanin’ny lanitra ny anarany.
20 Hosarahin’i Iaveh amin’ny fokon’i Israely rehetra izy, ka hatolony amin’ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.
21 Ny taranaka any aoriana, ny zanakareo mbola ho teraka handimby anareo mbamin’ny vahiny avy amin’ny tany lavitra, hahita ny loza sy ny aretina hamelin’i Iaveh izany tany izany,
22 dia ny solifara sy ny sira, fanakilana an’izany tany rehetra izany, izay tsy hofafazana, tsy hanome vokatra avy aminy, tsy haniriana ahitra akory, toy ny tamin’ny fikorontanan’i Sôdôma sy i Gômôra, i Adamà sy i Sebôima, izay nakorontan’i Iaveh tamin’ny fahatezerany amam-pahavinirany,
23 ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe:
24 Noho izy ireo nahafoy ny fanekena tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nataony tamin’izy ireo, fony Izy nampivoaka azy avy tany amin’ny tany Ejipta
25 ka nandeha nanompo andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehan’ireny andriamanitra tsy fantany akory, na nomen’i Iaveh ho anjarany,
26 dia nirehitra tamin’izany tany izany ny fahatezeran’i Iaveh, nazerany taminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity.
27 Fahatezerana sy fahavinirana amam-pisafoahana lehibe no nanatsoahan’i Iaveh azy hiala amin’ny taniny, sy nanilihany azy ho any an-tany hafa, tahaka izao ankehitriny izao.
Fiverenana avy any an-tsesitany sy fibebahana
28 Ny zava-miafina, an’i IavehAndriamanitsika; fa ny zava-nambara kosa, antsika sy ny taranatsika mandrakizay, mba hanatanterahantsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.