Categories
Deterônômy

Deterônômy 3

Tafaorina tany ampita atsinanan’i Jordany

1 Dia nihodina isika ka niakatra tamin’ny lalana mankany Basàna, ary nivoaka hifanehatra amintsika i Oga mpanjakan’i Basàna mbamin’ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Edraìa.

2 Hoy i Iaveh tamiko: Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tany Hesebona.

3 Koa natolotr’i Iaveh Andriamanitsika teo an-tanantsika koa i Oga mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny vahoakany rehetra; dia nasiantsika izy mandra-paha-tsy nisy niangana ny vahoakany na dia iray aza.

4 Afatsîka ny tanànany rehetra tamin’izay; tsy nisy tsy azontsika tamin’ireny na dia iray aza, dia tanàna enimpolo, ny faritany Aragôba rehetra, ny fanjakan’i Oga tany Basàna.

5 Tanàna mimanda daholo ireo tanàna rehetra ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady hidiny avokoa; ary mbola tsy anisan’izany ny tanàna tsy mimanda be dia be.

6 Nataontsika anatema izy, toy ny nanaovantsika an’i Sehôna, mpanjakan’i Hesebona; natao anatema ny tanàna, ny lehilahy, ny vehivavy sy ny zaza;

7 fa ny biby fiompy sy izay mety ho babo tao amin’ny tanàna no norobaintsika ho antsika.

8 Koa tamin’izany andro izany dia azontsika tamin’ny mpanjakan’ny Amôreana roa, ny tany any an-dafin’i Jordany, hatramin’ny ranon-driaka Arnôna, ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna;

9 Sariôna no iantsoan’ny Sidonianina an’i Hermôna, ary Sanira no iantsoan’ny Amôreana azy;

10 dia ny tanàna rehetra amin’ny tany lemaka, Galaada rehetra ary Basàna rehetra, hatrany Selkà sy Edraìa, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga tany Basàna.

11 I Oga mpanjakan’i Basàna, no hany taranaky ny Refaima sisa tavela. Moa tsy ao Rabata va, ao amin’ny taranak’i Amôna, ny farafarany, farafara vy?Sivy hakiho ny halavany, efatra hakiho ny sakany, amin’ny hakihon-dehilahy.

12 Dia azontsika tamin’izay, izany tany izany. Nomeko ny Robenita sy ny Gadita ny hatrany Arôera izay manerinerina amin’ny lohasahan’i Arnôna sy ny antsasaky ny tendrombohitr’i Galaada mbamin’ny tanànany.

13 Ary nomeko ny antsasaky ny fokon’i Manase ny sisa amin’i Galaada sy ilay faritanin’i Basàna manontolo izay fanjakan’i Oga. Ny tany Argoba rehetra sy Basàna rehetra no atao hoe tanin’ny Refaima.

14 I Jaira, zanak’i Manase no nahazo ny tany Argoba, hatramin’ny sisin-tanin’ny Gesorianina sy ny Makatianina, ary nantsoiny amin’ny anarany ny vohitr’i Basàna izay atao hoe vohitr’i Jaira, mandrak’androany.

15 Nomeko an’i Makira i Galaada.

16 Ny Robenita sy ny Gadita nomeko ny sasany amin’i Galaada hatramin’ny ranon-driaka Arnôna, ny am-pamatonan’ny lohasaha no faritra aminy, hatramin’ny ranon-driaka Jabaoka, sisin-tanin’ny zanak’i Amôna,

17 mbamin’i Arabaha, ka i Jordany no faritra ao, hatrany Kenereta ka hatrany amin’ny ranomasin’i Arabaha sy ny Ranomasin-tSira eo ambodin’ny kisolosolon’i Fasgà any atsinanana.

Fepetra farany nataon’i Môizy

18 Nanome didy anareo aho tamin’izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa ianareo rehetra, rehefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan’ny rahalahinareo, dia ny zanak’i Israely.

19 Fa ny vadinareo ihany sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, fantatro fa manana biby fiompy betsaka ianareo, no hijanona amin’ny tanàna nomeko anareo;

20 mandra-panomen’i Iaveh fitsaharana ny rahalahinareo, tahaka ny nataony taminareo koa, ka mahazo ny tany nomen’i Iaveh azy koa izy any an-dafin’i Jordany. Izay vao samy hiverina amin’ny anjara lova nomeko anareo avy ianareo.

21 Nanome didy an’i Jôsoe koa aho tamin’izany andro izany nanao hoe: Masonao no nahita izay rehetra nataon’i Iaveh Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy ireo. Toy izany koa no hataon’i Iaveh amin’ny fanjakana rehetra halehanao hiadiana.

22 Koa aza matahotra azy ianareo, fa ny Tenan’i Iaveh Andriamanitrareo no hiady ho anareo.

23 Nitaraina tamin’i Iaveh aho tamin’izany andro izany, nanao hoe:

24 Ry Iaveh Tompo ô, vao naneho ny halehibeazanao sy ny tananao mahery tamin’ny mpanomponao Ianao, fa na any an-danitra na etỳ an-tany, aiza moa no misy andriamanitra mahefa ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?

25 Aoka re aho hita, aoka re aho hahita izany tany soa any an-dafin’i Jordany izany, izany tendrombohitra tsara tarehy sy Libàna!

26 Fa tezitra tamiko i Iaveh noho ny aminareo, ka tsy nihaino ahy. Hoy i Iaveh tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko ny amin’izany zavatra izany intsony.

27 Miakara any an-tampon’i Fasgà, dia atopazo miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ka tazano amin’ny masonao, fa ianao tsy hìta io Jordany io.

28 I Jôsoe no omeo didy, dia ankaherezo sy hatanjaho, fa izy no handeha eo alohan’ity vahoaka ity, ary izy no hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.

29 Dia nijanona teo an-dohasaha tandrifin’i Bety-Fogôra isika.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *