Categories
Deterônômy

Deterônômy 7

I Israely vahoaka voatokana

1 «Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany halehanao hakana azy ho fanananao, ary firenena maro no efa voaroakany eo anoloanao, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina, ny firenena fito, maro isa sady mahery noho ianao,

2 ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.

3 Aza maka vady amin’ireny; aza omena ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alaina ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy;

4 fa havilin’ireny tsy hanaraka Ahy ny zanakao lahy izay hanompo andriamani-kafa, ka hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, dia haringany vetivety ianao.

5 Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;

6 satria vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao. Ianao no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana eo amin’ny vahoaka hafa rehetra ambonin’ny tany.»

Fifidianan’i Iaveh sy fitiavany manokana

7 «Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa, no niraiketan’i Iaveh taminareo sy nifidianany anareo; vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo;

8 fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo, dia nentin’i Iaveh nivoaka, tamin’ny tanana mahery, sy navotany tamin’ny trano fanandevozana ianareo, dia tamin’ny tanan’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta.

9 «Koa aoka ho fantatrao àry fa i Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.

10 Fa mamaly an-kitsiranokosa an’izay mankahala azy, amin’ny fandringanana azy; tsy hitaredretra akory Izy ny amin’izay mankahala Azy, fa hovaliany an-kitsirano izao.

11 Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsipika andidiako anao anio, ka tanteraho izany.

12 «Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka izany, dia hotanterahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao kosa, ny fanekena amam-pamindram-po efa nianianany tamin’ny razanao.

13 Ho tiany sy hosoaviny ary hampitomboiny ianao, hosoaviny ny naterakao sy ny vokatry ny taninao koa, dia ny varinao, ny ranom-boalobokao vaovao, ny diloilonao, ny terak’ombinao, ny zanak’ondrinao, any amin’ny tany nianianany tamin’ny razanao homena anao.

14 Hohasoavina mihoatra noho ny firenena rehetra ianao, tsy hisy momba aminao, na lahy na vavy, na amin’ny biby fiompinao.

15 Hampanalavirin’i Iaveh anao ny aretina rehetra, ary tsy hisy halefany aminao akory ny areti-mandoza nanjò an’i Ejipta izay fantatrao; fa izay rehetra mankahala anao no hampahoriny amin’ireny.

16 Levòny ny vahoaka rehetra hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao; aza miantra azy ny masonao; ary aza manompo izay andriamaniny, fa ho fandrika ho anao izany.»

Ny herin’Andriamanitra

17 «Ary raha hoy ianao anakampo hoe: Firenena maro noho izaho ireo, ka hataoko ahoana no fandroaka azy?

18 dia aza matahotra azy, fa tsarovy ao an-tsainao ny nataon’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’i Faraôna sy i Ejipta rehetra.

19 Masonao no nahita ny fampahoriana lehibe, ny fahagagana sy ny zavatra mahatalanjona, ny tanana mahery sy aman-tsandry ahinjitra izay nampivoahan’i Iaveh Andriamanitrao anao; toy izany no hataon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny vahoaka rehetra atahoranao.

20 Fa na hisy ho afa-mandositra hiery tsy ho hitanao aza, dia handefasan’i Iaveh Andriamanitrao fanenitra hamely azy mandra-paharingany.

21 Aza mivadi-po amin’izy ireo, fa eo afovoanao i Iaveh Andriamanitrao, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.

22 Horoahin’i Iaveh Andriamanitrao tsikelikely eo anatrehanao ireo firenena ireo; tsy ho azonao ringanina vetivety izy, fandrao dia mihamaro ny biby dia, ka hamely anao.

23 Hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao izy; ary hataony mivarahontsana foana, mandra-pahalàny ringana azy.

24 Hatolony eo an-tananao ny mpanjakan’izy ireo, ary ho foananao atỳ ambanin’ny lanitra ny anaran’ireny. Tsy hisy olona hahatohitra anao mandra-paharinganao azy.

25 Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.

26 Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa ianao; aoka ho zavatra hàlanao indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *