Categories
Deterônômy

Deterônômy 9

Avy amin’i Iaveh ny fandresena, fa tsy avy amin’ny fahamarinan’i Israely

1 Mihainoa, ry Israely. Ndeha hita an’i Jordany ianao izao, ary handroso haka firenena lehibe sy mahery noho ianao, tanàna lehibe misy manda manakatra ny lanitra.

2 Vahoaka vaventy, lava, taranaky ny Enakima, izay fantatrao sy renao laza hoe: Zovy no hahatohitra ny taranak’i Enàka?

3 Koa aoka ho fantatrao anio, fa i Iaveh Andriamanitrao, no hita eo alohanao, toy ny afo mandevona, Izy no handringana azy ireny, Izy no hampietry azy eo anoloanao, dia handroaka azy ianao sy handringana azy haingana, araka ny voalazan’i Iaveh taminao.

4 Rehefa roahin’i Iaveh Andriamanitrao eo anoloanao ireny, aza manao anakam-po hoe: Noho ny fahamarinako no nitondran’i Iaveh ahy haka ity tany ity hananako azy; noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh azy eo anoloanao.

5 Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan’ny teny efa nianianan’i Iaveh tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao.

6 Koa aoka ho fantatrao, fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’i Iaveh Andriamanitrao izany tany soa izany ho fanananao, fa vahoaka mafy hatoka ianao.

Nivadika i Israely tao Horeba, fa nifona i Môizy

7 Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an’i Iaveh Andriamanitrao tany an’efitra. Hatramin’ny andro nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, ka hatramin’ny nahatongavanao teto amin’ity fitoerana ity, dia niodina tamin’i Iaveh ihany ianareo.

8 Tany Horeba aza dia nihantsy ny fahatezeran’i Iaveh ianareo, ka tezitra taminareo i Iaveh, ka saika handringana anareo.

9 Fony aho niakatra tany an-tendrombohitra handray ny takelaka vato, – ireo takelaky ny fanekena nataon’i Iaveh taminareo – nijanona tany an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano,

10 dia nomen’i Iaveh ahy ny takelaka vato roa, nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra sy misy ny teny rehetra nolazain’i Iaveh taminareo tany an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana.

11 Nony tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina, vao nomen’i Iaveh ahy ny takelaka vato roa, ny takelaky ny fanekena.

12 Tamin’izay dia hoy i Iaveh tamiko: Mitsangàna ka midìna faingana miala eto, fa mihasimba ny vahoakanao nentinao nivoaka avy tany Ejipta: vetivety foana dia niviliany ny lalana nasaiko nalehan’izy ireo; fa nanao sarin-javatra anidina ho azy izy.

13 Ary hoy i Iaveh tamiko: Hitako fa vahoaka mafy hatoka ity vahoaka ity.

14 Avelao haringako izy, hofoanako tsy ho atỳ ambanin’ny lanitra ny anarany, fa ianao kosa no hataoko firenena mahery sy maro isa noho ity vahoaka ity.

15 Dia nihodina aho, ka nidina avy tany an-tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo, ary ny takelaka roa nisy fanekena, teny an-tanako roa.

16 Nijery aho, ka indreo ianareo fa efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitrareo; nanao zanak’omby anidina ho anareo ianareo, ary nivily haingana niala tamin’ny lalana nasain’i Iaveh nalehanareo.

17 Koa noraisiko ny takelaka roa, dia tanako no nanjera azy, ary namakivaky azy teo imasonareo aho.

18 Ary niankohoka teo anatrehan’i Iaveh tahaka ilay teo aloha aho, efapolo andro sy efapolo alina, tsy nihinan-kanina na nisotro rano noho ny fahotana rehetra nataonareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’i Iaveh ka nahatezitra Azy.

19 Satria tsiravina aho nahita ity hatezerana amam-pahavinirana nirehetan’i Iaveh taminareo, ka efa saika hataony levona ianareo, saingy mbola nihaino ahy indray i Iaveh tamin’izay.

20 Tezitra mafy tamin’i Aarôna koa i Iaveh, ka efa saika hataony levona izy; ary nifona ho an’i Aarôna koa aho tamin’izany andro izany.

21 Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak’ombyvolamenaka nodorako tamin’ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin’ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany.

Fahotana hafa. Vavak’i Môizy

22 Nampahatezitra an’i Iaveh koa ianareo, tany Tabeerà sy Masah, ary Kibrôta-Hataavà.

23 Ary raha nasain’i Iaveh handeha avy ao Kadesa-Barne ianareo, nataony hoe: Miakara, alaovy ho anareo ny tany izay omeko anareo; dia notoherinareo ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy nino Azy ianareo na nanaiky ny feony.

24 Niodina tamin’i Iaveh ihany ianareo hatramin’izay andro nahalalako anareo izay.

25 Niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ihany aho, nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina, izay niankohofako; satria efa nilaza handringana anareo i Iaveh.

26 Nifona tamin’i Iaveh aho, ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, aza mandringana ny vahoakanao, ny lovanao, izay navotanao tamin’ny fahalehibeazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny tananao mahery.

27 Tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mpanomponao, fa aza heverinao ny ditran’ity vahoaka ity, na ny faharatsiany amam-pahotany,

28 fandrao dia lazain’ny tany namoahanao anay hoe: Tsy azon’i Iaveh natao ny nampiditra azy ireo any amin’ny tany nampanantenainy azy; sady halany izy ireo ka izany no namoahany azy, mba hahafaty azy atỳ an’efitra.

29 Kanefa ireo no vahoakanao sy lovanao izay navoakanao avy tany Ejipta, tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny sandrinao nahinjitra.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *