Aza mitsara ivelany
1 Ny fahendren’ny olonamanetry tena hanandratra ny lohany;
ary hampipetraka azy eo afovoan’ny lehibe.
2 Aza midera olona, noho ny hatsaran-tarehiny,
ary aza marikoriko aminy, noho ny amin’ny tarehiny.
3 Amin’ny biby manidina ny renitantely no kely,
nefa ny vokany no voalohan-daharana amin’ny zava-mamy.
4 Aza mirehareha amin’izay fitafiana entinao,
ary aza manandra-tena amin’ny andron’ny voninahitra.
Fa mahagaga ny asan’ny Tompo,
ary miafina ny asany eo amin’ny olombelona.
5 Maro no mpanapaka, tafatombina amin’ny ngorodona;
ary izay tsy noheverin’ny olona kosa, no nitondra satroboninahitra.
6 Maro ny be fahefana, voatototry ny fanalam-baraka,
ary ny olo-manan-daza, voatolotra eo an-tanan’ny hafa.
Mandiniha milamina
7 Aza manome tsiny, alohan’ny famotopotoranao;
mandiniha aloha vao izay no hahazo mananatra ianao.
8 Aza mamaly na inona na inona raha tsy efa nihaino,
ary aza miloa-bava, eny antenantenan’ny tenin’ny hafa.
9 Aza mifanditra amin’izay zavatra tsy anao,
ary aza miara-mipetraka amin’ny mpanota, mba hitsara.
10 Anaka, aza entinao misahana zavatra maro ny fahavitrihanao;
fa raha maro sahanina ianao, tsy hilaozam-pahadisoana.
Raha manenjika zava-maro ianao, tsy hahatratra azy,
ary tsy ho afaka amin’izany ianao mandositra.
11 Misy miasa, misasatra, manao haingana,
nefa vao mainka mihamahantra.
Andriamanitra ihany itokiana
12 Misy tsy manan-kery, miantso vonjy,
tsy ampy tanjaka, ary be fahantrana:
13 fa ny Tompo kosa mitsinjo azy amin’ny maso miantra;
manala azy amin’ny toetrany ambany,
manandratra ny lohany,
ka maro no gaga noho ny aminy.
14 Ny soa sy ny ratsy, ny fahafatesana sy ny fiainana,
ny fahantrana sy ny fananan-karena, dia samy avy amin’ny Tompo.
15 Mipetraka amin’ny marina, ny fanomezan’Andriamanitra
ary mandraikitra fiadanana mandrakizay ny fanambinany.
16 Misy manan-karena noho ny fikajiana amam-pitsitsiana,
ary izao no anjara tamby azony amin’izany:
17 Azony atao ny milaza hoe: «Nahazo fitsaharana aho,
ka ndeha hihinana amin’ny fananako amin’izao.»
Tsy fantany anefa izay fotoana mbola ho lasa;
hamela ny hareny ho an’ny hafa izy, dia ho faty.
18 Aza mivadika ny fanekenao amin’Andriamanitra,
ary miveloma amin’ny fiheverana izany,
ary mihantera amin’ny asanao.
19 Aza gaga amin’izay raharahan’ny mpanota;
mitokia amin’ny Tompo, ary mahareta amin’ny asanao.
Fa zavatra mora foana eo imason’ny Tompo,
ny mampanan-karena vetivety sy indray miserana monja ny mahantra.
20 Ny fanambinan’ny Tompo no valisoa ho an’ny olona tia vavaka;
anatin’ny fotoana mihelina dia ahitana vokatra ny tso-dranony.
21 Aza manao hoe: «Izaho moa mila inona indray?
ary mety hanao ahoana ny fiadanako, amin’ny ho avy?»
22 Aza manao hoe koa: «Efa manana ny ampy aho;
ka loza inona indray no mety hiaretako?»
23 Amin’ny andro iadanana, hadino ny fahoriana;
ary amin’ny andro mahory, tsy tsaroana ny fiadanana.
24 Fa zavatra mora eo imason’ny Tompo,
amin’ny andro ahafatesana, ny mamaly ny olona araka ny lalany.
25 Tapak’andro ijaliana ihany, dia mampanadino ny hasambarana lasa,
ary amin’ny fiafaran’ny olona, dia haharihariny ny asany.
26 Aza manao olona ho sambatra, alohan’ny fahafatesany:
amin’ny zanany no hahafantarana ny olona.
27 Aza ampidirina ao an-tranonao avokoa izao olona rehetra izao,
fa maro ny fandriky ny olona mpamitaka.
28 Sahala amin’ny tsipoy fihaza, ao an-tranony,
ny fon’ny mpiavonavona;
ary sahala amin’ny mpitsikilo no fikendriny ny faharavana.
Mahìna amin’ny ratsy fanahy
29 Manova ny soa ho ratsy izy, mamela-pandrika;
ary asiany pentina izay madio indrindra.
30 Kilalaon’afo iray monja mahatonga arina be;
toy izany koa no itadiavan’ny mpanota am-pitaka ny handatsa-dra.
31 Tandremo ny ratsy fanahy, – fa mioko hanao ratsy izy,-
ka sao dia petahany fahafaham-baraka tsy azo vonoina ianao.
32 Omeo fidirana ho ao aminao ny olon-kafa,
dia azerany ianao amin’ny fananganana tabataba,
ary hahodiny tsy ho tia anao ny ao an-tranonao.