Ny mitovy aminao iarahana
1 Izay mikasika ny dity dia voaloto,
ary izay mikambana amin’ny mpiavona, zary manahaka azy.
2 Aza mametraka enta-mavesatra eo an-tsorokao;
ary aza mikambana amin’ny olona mahery sy manan-karena noho ianao,
Fikambanana inona no azon’ny vilany tany sy vilany varahina atao?
Hopohin’ny vilany varahina ny vilany tany, ka ho montsana io.
3 Ny manan-karena manao ny tsy marina ary mangovitry ny hatezerana;
ny mahantra asian-dratsy no miala tsiny.
4 Raha mbola misy soa azonao atao aminy,
ampiasainy ianao,
ary rehefa tsy manan-katao aminy intsony ianao, dia ariany.
5 Raha mbola manana ianao, hiara-mitoetra aminao izy,
hoendahany ny anananao, tsy ahoany akory izany.
6 Misy ilany anao va? Hanangoly anao izy,
hitsiky aminao, hampanantenantena anao,
tsy handala teny soa aminao, ary hilaza aminao hoe: Inona no ilainao?
7 Hozezehiny fanasana ianao,
mandra-panendaka anao indroa na intelo;
ary amin’ny farany, hihomehezany ianao;
raha efa izany hahita anao izy dia hilaozany ianao,
sady hampandihy loha eo anatrehanao izy.
8 Mitandrema sao mety hoangoleny ianao,
ary sao lavo amin’ny fietrena ianao ao anatin’ny fanambinana.
9 Raha ny manam-pahefana no miantso anao, mihemora ianao;
ny vao mainka hanasa anao mafy no hataony.
10 Aza mankeo aminy tampoka, fandrao roahiny ianao;
ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hadino.
11 Aza mihevitra ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga,
ary aza matoky ny resaka be ataony.
12 Fa hotsapainy amin’ny teniny mikararana ianao,
ary hanontaniany, somary asiany hehy.
Olona tsy manana antra izy,
ka tsy hitana ao aminy izay teninao akory.
Ary tsy hitsitsy famelezana na famoretana izy, aminao.
13 Mitandrema, ary mitandrema tsara,
fa miara-mandeha amin’ny faharavanao ianao.
14 Ny zava-boaary miaina rehetra, tia ny mitovy aminy;
ny olombelona rehetra tia ny namany.
15 Ny nofo rehetra miray araka ny karazany;
ary ny olombelona rehetra mikambana amin’izay manahaka azy.
16 Fikambanana inona no mety hisy amin’ny amboadia sy ny zanak’ondry;
toy izany koa ny amin’ny mpanota sy ny olona tia vavaka.
17 Fihavanana inona no mety hananan’ny amboahaolo sy ny amboa?
Fihavanana inona no mety hihavanan’ny mpanan-karena sy ny mahantra?
18 Ny ampondra dia no firembin’ny liona any an’efitra;
toy izany ny mahantra dia firembin’ny mpanan-karena.
19 Halan’ny mpiavonavona, ny fietrena:
toy izany koa halan’ny mpanana ny mahantra.
20 Raha ny manan-karena no mangozohozo, tohanan’ny sakaizany;
fa raha ny ambany kosa no lavo, vao mainka roahin’ny sakaizany.
21 Raha ny mpanana no potraka, maro no mamonjy azy;
manao teny tsy misy heviny izy, ankatoavin’ny olona koa.
Fa raha ny ambany no potraka, vao mainka koa tsinina.
22 Raha miteny ny mpanana, mangina avokoa ny olona rehetra,
sady deraina manakoako hatrany an-danitra ny lahateniny.
Fa raha ny mahantra no miteny, ataony hoe: «Mba iza koa io?»
ary raha manohina izy, alavon’ny olona.
23 Tsara ny harena, raha tsy mikambana amin’ny ota;
ary ratsy ny fahantrana, eo am-bavan’ny mpankahala fivavahana.
24 Ny fon’ny olombelona dia manova endrika azy.
Mahatonga azy ho tsara na ratsy izy.
25 Ny tarehy miramirana, no mariky ny fo faly:
ny asan’ny fieritreretana, no ahitana foto-kevitra mahasoa.