1 Izany no ataon’izay matahotra ny Tompo,
ary izay miraikitra amin’ny lalàna, hahazo ny fahendrena.
2 Izy hitsena azy toy ny reny,
ary handray azy toy ny vady virjiny.
3 Hamahana azy mofom-pahazavan-tsaina,
ary hampisotro azy ranom-pahendrena.
4 Koa dia hiankina aminy izy, ka tsy hiletsy,
hiraikitra aminy ka tsy hahazo henatra.
5 Hasandrany eo anatrehan’ny namany izy,
ary hampiloa-bava azy eo amin’ny fivoriana.
6 Fifaliana, fehiloha firavoravoana,
ary anarana mandrakizay no ho anjarany.
7 Ny adala tsy mba hahazo azy (fahendrena)
ary ny mpanota tsy hahita azy akory.
8 Mihataka lavitra ny olona mpiavona izy,
ary ny olona fandainga tsy mihevitra azy akory.
9 Tsy ankasitrahina ny fiderana an’Andriamanitra
eo am-bavan’ny mpanota,
satria tsy mba ampitondrain’ny Tompo izany.
10 Fa tononin’ny fahendrena ny fiderana,
ka ankasitrahin’ny Tompo izy.
Fahafahan’ny olombelona
11 Aza manao hoe: «Ny Tompo no anton’ny niviliako.»
fa izay halany, tokony tsy hataonao.
12 Aza manao hoe: «Izy no nampivily ahy.»
fa tsy mila izay mpanota akory Izy.
13 Halan’ny Tompo ny fahavetavetana rehetra,
ary izay matahotra Azy, tokony tsy ho tia an’izany koa.
14 Tamin’ny voalohany, nahary ny olombelona Izy,
ary namela azy eo an-tanan’ny fisainany.
15 Raha sitraponao dia hitandrina ny didy ianao,
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
16 Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
17 Eo anoloan’ny olombelona, ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidiny dia homena azy.
18 Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
19 Ny masony, dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
20 Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.