Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 18

Lehibe Andriamanitra

1 Ilay velona mandrakizay, no nahary ny zavatra rehetra tsy an-kanavaka.

2 Ny Tompo irery no marina.

3 Tsy misy olona nataony hahatanisa ny asany.

Ary zovy no mahaseho ny halehibeazany?

4 Iza no mahalaza ny fahefana tsitoha izay ao amin’ny fiandrianany?

Zovy koa no hahavisavisa ny famindram-pony?

5 Tsy misy hanalana tsy misy hampiana,

tsy azo takarina ny asa mahagaga ataon’ny Tompo.

6 Rehefa tapitra mikaroka ny olombelona,

vao eo amin’ny manomboka ihany;

ary nony mijanona izy, tsy hitany izay hoheverina.

Tsinontsinona ny olombelona

7 Inona koa ny olombelona, ary mahasoa amin’inona izy?

Inona no hasambarany, ary inona no lozany?

8 Ny isan’ny andro iainan’ny olombelona dia zato taona raha betsaka.

9 Toy ny rano indray mitete nalaina tamin’ny ranomasina

sy toy ny vongam-pasika iray,

ny isan’ny taonany vitsy, miolotra amin’ny andro mandrakizay.

10 Izany no anton’ny andeferan’ny Tompo amin’ny olombelona,

sy androtsahany ny famindram-pony amin’izy ireo.

11 Hitany sy fantany fa mahonena ny fiafaràny,

izany no hamelany heloka amin-kalalaham-po.

12 Ny olombelona manao famindram-po amin’ny namany,

fa Andriamanitra kosa, manao famindram-po mahazo ny nofo rehetra.

Mananatra Izy, mamay Izy, manoro Izy,

ary mamerina ho ao am-bala, toy ny mpiandry ondriny.

13 Mamindra fo amin’izay mandray ny famaizana Izy,

sy amin’izay malaky manatanteraka ny didiny.

Ny fomba enti-manome

14 Anaka, aza arahin-datsa ny soa ataonao,

na teny mampalahelo ny fanomezanao rehetra.

15 Moa ny ando tsy mampangatsiatsiaka ny hafanan’ny rivotra?

Toy izany koa ny teny soa, mihoatra noho ny fanomezana,

16 Tsy hitanao va fa tsara mihoatra noho ny fanomezana ny teny?

Ny olona mahafinaritra manambatra azy roa ireo.

17 Ny adala manao teny maharary,

ary ny fanomezan’ny mpialona, mahamaina ny maso.

Mandiniha, tsinjovy ny ho avy

18 Mandiniha, alohan’ny hitenenanao,

mitandrema ny fahasalamanao alohan’ny aretina.

19 Mandiniha tsara alohan’ny fitsarana,

dia hahazo sitraka ianao amin’ny fotoan’ny famotorana.

20 Manetre tena alohan’ny hahararianao,

ary miverena amin’Andriamanitra, raha tafalatsaka amin’ny ota.

21 Aza mety hosakanan’inona na inona,

tsy hanefa ny voadinao amin’ny fotoana mety

ary aza miandry ny efa ho faty, vao manefa ianao.

22 Miomàna aloha, vao manao voady,

fa aza manao toy ny olona maka fanahy an’Andriamanitra.

23 Mihevera ny fahatezerana, amin’ny andro farany,

dia amin’ny fotoana famaliana, hanodinan’Andriamanitra ny tavany.

24 Amin’ny fotoana ananam-be, mihevera ny andron’ny hanoanana.

Amin’ny andro ananan-karena, mihevera ny fahantrana amana mosary.

25 Miovaova ny fotoana hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva:

faingana toy izany ny fiovana rehetra eo anatrehan’Andriamanitra.

26 Ny olon-kendry, mitandrin-tena amin’ny zavatra rehetra;

amin’ny andron’ny fahotana izy, miaro tena tsy ho diso.

27 Rehefa mety ho olona manan-tsaina dia mahalala ny fahendrena;

sady manome haja an’izay nahita azy.

28 Izay mahafantatra ny lahatenin’ny hendry

dia olona hendry koa ny tenany,

ka mamafy ny foto-kevitra lavorary.

Mahafeheza tena

29 Aza mety hoentin’ny fitsiriritanao,

ary fehezo ny fanirianao.

30 Raha avelanao hanaram-po amin’ny fitsiriritany ny fanahinao,

dia hataony fihomehezan’ny fahavalonao ianao.

31 Aza ataonao foto-kafalianao ny habetsahan’ny hanim-py,

ary aza mandraikitra fikambanana amin’izany.

32 Aza mampahantra tena, misambotra hanaovam-pihinanam-be,

ary raha tsy misy na inona na inona, amin’ny kitapom-bolanao.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *