1 Ny mpiasa manaram-po amin’ny divay, tsy mba hanan-karena;
izay tsy mikarakara ny kely ananany ho latsaka vetivety amin’ny faharavana.
2 Mampiavona ny olona manan-tsaina ny divay sy ny vehivavy,
ary tsy malina izay miraikitra amin’ny vehivavy janga.
3 Ho rembin’ny olitra sy ny kankana ireny,
ary ho fongotra ny fanahy meloka.
Aza basy vava
4 Izay malaky minomino foana, dia olona maivan-tsaina,
ary manota amin’ny fanahiny, izay latsaka amin’izany hadisoana izany.
5 Izay minia mifaly amin’ny lahateny adala, hohelohina,
6 ary izay mankahala ny habasiam-bava, miaro tena amin’ny loza.
7 Aza mitati-teny na oviana na oviana,
dia tsy ho faty antoka na oviana na oviana ianao.
8 Aza milaza izany, na amin-tsakaiza na amim-pahavalo,
ary aza manambara izany, afa-tsy raha hahadiso anao, tokana.
9 Fa raha reny ianao, hitandrin-tena izy aminao,
ary mbola any ny andro, hisehoany ho fahavalonao.
10 Raha mandre resaka be vava ianao, ento maty izany,
aza manana ahiahy, tsy hampipoaka anao izany.
11 Raha misy tenyiray tsy maintsy hotanany, dia mijaly ny adala,
toy ny vehivavy mihetsi-jaza.
12 Sahala amin’ny zana-tsipìka tafatsatoka amin’ny fe,
ny teny iray amin’ny fon’ny adala.
Hamarino izay heno
13 Anontaniony sakaizanao, fa angamba tsy nanao ihany izy;
ary raha nanao ihany izy, dia tsy mba hanao izany intsony.
14 Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nilaza izany izy,
ary raha nilaza izany izy, dia tsy mba hamerina intsony.
15 Anontanio ny sakaizanao, fa matetika misy endrikendrika,
ka aza mino izao lazain’ny olona rehetra izao ianao.
16 Misy mba diso ihany, nefa tsy fanahy iniana;
ary zovy moa no tsy nanota tamin’ny lelany?
17 Anontanio ny sakaizanao, alohan’ny handrahona azy,
ary miraiketa ianao amin’ny fitandreman’ny lalàn’ny Avo Indrindra.
Ny tena fahendrena sy ny sandoka
18 Ny fahendrena rehetra, dia ao amin’ny fahatahorana ny Tompo;
ary ao amin’ny fahendrena rehetra, ny fanatanterahana ny lalàna.
19 Ny fahendrena, tsy mba ny fahaiza-manao ratsy;
ary ny fahamalinana tsy mba hita amin’ny torohevitry ny mpanota.
20 Misy fahaizana tokony hankahalaina,
ary misy hadalana izay tsy inona fa tsy fahampian’ny fahendrena.
21 Aleo olona kely fahiratan-tsaina matahotra an’Andriamanitra
toy izay olona be fahazavan-tsaina mandika ny lalàna.
22 Misy mahay tokoa nefa mandika ny rariny,
ary misy mandainga amin’ny ady atsangany
mba hampamoaka fitsarana araka ny iriny.
23 Misy ratsy fanahy mandeha manjoko azon’ny alahelo,
ary feno fitaka ny fony.
24 Manondri-doha izy, marenina ilany izy,
ary nony vao tsy jerijerena izy dia ialohany ianao.
25 Ka raha tsy afa-manota izy, noho ny fahosana,
dia hanao ratsy nony vao mahita hanaovana.
26 Ny tarehiny no hahalalana ny olona,
ary ny endrika asehony no hahalalana ny hendry.
27 Ny fitafian’ny olona, ny fitsikin’ny molony,
ary ny fandehan’ny olona no manambara ny toetrany.