Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 2

Tahotra an’Andriamanitra eo amin’ny fitsapana

1 Anaka, raha mandroso ianao hanompo ny Tompo,

omany ho amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.

2 Ahitsio ny fonao, ka mahareta,

ary aza mikoropaka foana amin’ny andron’ny fahoriana.

3 Miraiketa amin’Andriamanitra ianao, ka aza misaraka aminy,

mba hitomboanao ho amin’izay hiafaranao.

4 Ekeo avokoa izay manjò anao,

ary mandefera amin’ny fifandimbiasan’ny fietrenao.

5 Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin’ny afo;

ary ny olona ankasitrahin’Andriamanitra kosa,

amin’ny memin’ny fietrena.

6 Matokia an’Andriamanitra ary Izy hanarina anao;

mizora amin’ny lala-mahitsy, ary manantenà Azy.

7 Miandrasa ny famindram-pony, ianareo matahotra ny Tompo,

ary aza mivily lalana, fandrao dia levona ianareo.

8 Matokia Azy, ianareo matahotra ny Tompo,

dia tsy ho very valisoa ianareo.

9 Manantenà, ianareo matahotra ny Tompo, ny hasambarana,

ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.

10 Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro;

iza no nanantena ny Tompo, ka nahazo henatra na oviana na oviana?

Zovy no naharitra tsy niala tamin’ny fahatahorana Azy, ka mba nilaozana?

iza no niantso Azy, ka latsa no hany azony?

11 Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo,

ary mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory Izy.

12 Loza ho an’ny fo ketraka sy ny tanana osa

sy ny mpanota miroa lalana!

13 Loza ho an’ny fo kanosa, fa tsy matoky an’Andriamanitra izy!

ka tsy mba hahazo fiarovana.

14 Loza ho anareo manary faharetana!

Hanao ahoana ianareo, amin’ny andro hamangian’ny Tompo?

15 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba mandà tsy hihaino ny teniny,

ary izay tia Azy, mitandrina ny lalàny, tsy mivadika!

16 Izay matahotra ny Tompo, mitady izay sitrany,

ary izay tia Azy mivoky ny lalàny.

17 Izay matahotra ny Tompo, mamboatra ny fony,

ary mampaharitra ny fanahiny amim-panetren-tena eo anatrehany,

18 manao hoe: «Ho lavo eo an-tanan’ny Tompo izahay,

fa tsy eo an-tanan’ny olombelona;

satria, araka ny haben’ny fahefany no haben’ny famindram-pony koa.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *