1 Izay mamaly ratsy, dia hiharan’ny fanahin’Andriamanitra,
izay hitahiry fatratra ny fahotany.
2 Avelao ny nataon’ny namana tsy an-drariny,
dia havela ny fahotanao, rehefa mifona ianao.
3 Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin’ny olon-kafa,
nefa mangataka fanasitranana amin’Andriamanitra ho an’ny tenany.
4 Tsy mamindra fo amin’ny olombelona namany izy,
nefa mitaraina noho ny hadisoan’ny tenany.
5 Izy izay nofo foana mitahiry lolom-po;
ka zovy indray no hahazo ny famelana ny fahotany?
6 Tsarovy ny hiafaranao, ka atsaharo ny fankahalana;
tsarovy ny hahalòvana amam-pahafatesana ary tandremo ny didy.
7 Tsarovy ny didy, ka aza manao an-dolompo amin’ny namana;
tsarovy ny faneken’ny Avo Indrindra
ary modia tsy mahita ny fanevatevana anao.
Fifandirana
8 Mijanòna any lavitry ny fifandirana,
dia ho vitsy kokoa ny fahotanao,
fa mampirehitra ny fifandirana ny olona saro-po,
9 ary manisy fikorontanana eo amin’ny mpisakaiza ny mpanota;
sady manipy fanendrikendrehana amin’izay miadam-piainana.
10 Arakaraka ny zavatra amelomana azy no firehitry ny afo;
arakaraka ny fahefana ananany koa no firehitry ny hatezeran’ny olona:
mampisondrotra ny hatezerany araka ny hareny izy,
ka mirehitra araka ny hamafin’ny fifandirana izany.
11 Ny fifandirana malaky mampirehitra ny afo;
ary ny ady vava tsy voahevitra, mahalatsa-dra.
12 Ny pik’afo, raha tsofina izy, dia mirehitra;
raha roranao izy dia maty;
samy avy ao am-bavanao ihany ireo zavatra roa ireo.
Ny lela
13 Ozony ny mpitati-bolana sy ny olona miroa lela,
fa loza ho an’ny maro niaina tamim-piadanana izy.
14 Namarina olona maro be ny lela mpanendrikendrika;
ka nasesiny hifindrafindra firenena izy ireny.
Ny tanàna mimanda narodany;
ny lapan’ny lehibe nazerany amin’ny tany.
15 Nampandroaka vehivavy mahery fo
ny lela mpanendrikendrika,
ary nanendaka ny vokatry ny asany taminy.
16 Izay manongilan-tsofina aminy,
tsy hahita fitsaharana intsony,
ary tsy hanam-piadanana eo amin’ny tranony intsony.
17 Ny famelezan’ny tsora-kazo mahamangana;
ny famelezan’ny lela mahavakivaky ny taolana.
18 Betsaka no matin’ny lelan-tsabatra;
fa tsy betsaka tahaka ny matin’ny lela.
19 Sambatra izay voaaro amin’izany,
tsy voatolotra amin’ny fisafoahany,
tsy nitondra ny jiogany,
ary tsy voafatotry ny famatorany.
20 Fa jioga vy ny jiogany;
ary famatorana varahina ny famatorany.
21 Fahafatesana mahatsiravina ny fahafatesana afitsony,
ka aleo ny Seoly toy izay izany.
22 Ny olona tia vavaka, tsy mba hananany fahefana
ka tsy mba main’ny lelafony.
23 Izay mahafoy ny Tompo, no ho latsaka eo aminy,
ka handevona azy izy mirehitra tsy mety maty.
24 Koa hodidino fefy tsilo ny taninao,
fehezo an-dasàka ny volamena sy volafotsinao,
25 ary manaova mizana sy vato handanjanao ny teninao,
ary manaova hidy amam-baravarana ho an’ny vavanao.
26 Mitandrema mba tsy hanota amin’ny lela,
fandrao dia lavo eo imason’izay mihendry anao ianao.