Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 29

Ny mampisambotra

1 Manao fiantrana izay mampisambotra ny namany;

ary mitandrina ny didy izay manohana azy amin’ny tanany.

2 Mampisambora ny namanao raha poritra izy;

ary ianao kosa mamerena amin’ny namanao, raha tonga ny fotoana.

3 Tano ny teninao, ary manaova amin’ny ara-dalàna,

dia hahazo izay ilainao na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.

4 Maro no manao ny zavatra nampisamborina azy,

ho toa zavatra hitany,

ka miteraka fahasahiranana ho an’izay nanampy azy.

5 Mandra-pandrain’ny olona dia orohany ny tanan’ny namany,

ankalazainy amin’ny feo manetry tena ny hareny.

Kanjo nony tonga ny fotoana hamerenany dia mangataka andro ny olona,

teny fitarainana foana no averiny,

ary ny andro sarotra no omeny tsiny.

6 Raha manan-kaloa ny olona

dia zara raha mandray ny antsasany ny mpampisambotra,

dia hihevitra azy ho nahazo zavatra tsy nampoizina.

Raha tsy manan-kaloa indray ny olona dia tsy azony ny volany,

ary ampanjariany tsy fidiny ho fahavalony ilay nasiany soa,

izay mandoa sahato amam-panevatevana aminy,

sy mamerina fanalam-baraka ho solom-boninahitra.

7 Be no mandà tsy hampisambotra, noho ny haratsian’ny olona;

matahotra ny hahaverezan’ny volany maimaim-poana izy.

Fiantrana

8 Nefa aoka ho antra ny ory ianao;

ary aza avela hiandry ny fiantrana omenao azy izy.

9 Mamonje ny mahantra, noho ny didin’Andriamanitra,

ary aza mandefa azy mitondra tanam-polo, noho ny fahoriany.

10 Maneke hanary vola, hanasoavana ny rahalahy aman-tsakaizanao,

fa aza avela ho harafesina foana ao ambany vato izy.

11 Ampiasao ny rakitrao, araka ny didin’ny Avo Indrindra,

dia hahazoanao soa mihoatra noho ny volamena izy.

12 Hidio ao an’efitranonao ny hataonao fiantrana,

fa hamonjy anao amin’ny fahorianao rehetra izany.

13 Mihoatra noho ny ampinga mafy, sy ny lefona mahery,

no hiadiany hiaro anao, eo anoloan’ny fahavalo.

Antoka omena

14 Ny olona tsara fo miantoka ny namany,

fa izay efa lany henatra ihany no mahafoy azy.

15 Aza manadino ny hatsaram-pon’izay niantoka,

fa namehy tena ho anao izy.

16 Mahavery ny hareny rehetra, amin’ny mpiantoka azy, ny mpanota;

ary mahafoy ny mpamonjy azy ny tsy mpankasitraka.

17 Nampiditra faty antoka tamin’olo-miadana maro, ny antoka nomena,

ary nampivezimbezina azy, hoatra ny alon-dranomasina.

18 Nataony sesitany ireo olona nanam-pahefana,

ka heriny mirenireny, any amin’ny firenen-kafa.

19 Mora manaiky hiantoka ny mpanota,

ary hiharan’ny hamafin’ny fitsarana ny fatra-pitady tombony.

20 Manampia ny namana, araka ny azonao atao,

ary mitandrema, mba tsy ho latsaka amin’ny fahoriana ianao.

Mampiantrano vahiny

21 Ny zavatra voalohany amin’ny fivelomana,

dia ny rano sy ny mofo,

ary ny fitafiana aman-trano hanaronana ny fitanjahana.

22 Aleo ny fiveloman’ny mahantra ao ambany tafon-trano hazo,

toy izay nahandro mandany be, any an-tranon’olon-kafa.

23 Mifalia, na kely na be anananao:

dia tsy handre anao esoina ho vahiny ianao.

24 Fiainana mampiferin’aina ny mitety trano mby eny, mby eny;

any amin’izay handraisana anao ho vahiny,

tsy sahy misoka-bava akory.

25 Hanome hanina amam-pisotro ny mpampiantrano anao ianao,

na tsy ankasitrahana anao aza izany,

ary handre teny maharary koa indray aza ianao ho fanampiny.

26 Avia, ry vahiny, amboary ny fihinanana,

ary raha manan-javatra ianao, omeo aho hohaniko.

27 Mandehana any, ry vahiny, ialao ity hanim-be ity;

handray ny rahalahiko aho, ilaiko ny tranoko.

28 Mafy amin’ny olona manan-tsaina,

ny mandre latsa amin’ny fampiantranoana azy,

sy tevatevain’izay ananany trosa.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *