Adidy amin-dray aman-dreny
1 Anaka, henoy aho, rainareo,
ary ataovy izay hahazoanareo ny famonjena.
2 Fa sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;
ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany izy.
3 Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
4 ary fanangonan-karena ny manaja ny reny.
5 Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany,
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.
6 Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
7 Izay matahotra ny Tompo, manaja ny ray aman-dreniny,
ary manompo toy ny tompony izay nahitany masoandro.
8 Hajao ny rainao, na amin’ny asa, na amin’ny teny,
mba hirotsahan’ny tso-dranony aminao,
9 fa ny tso-dranon-dray mampiorina mafy ny tranon-janany,
ary ny ozon-dreny kosa mamongotra izay efa miorina.
10 Aza mirehareha amin’ny fahafaham-barakan-drainao;
fa tsy mety hahazoanao voninahitra ny henatra mahazo azy:
11 satria ny voninahitry ny rainy no iavian’ny hajan’ny olombelona;
ary ny reny voatevateva dia henatra ho an’ny zanany.
12 Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,
ary aza mampalahelo azy, amin’ny andro iainany.
13 Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,
ary aza manatsinontsinona azy, rehefa be indrindra ny tanjakao.
14 Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;
ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.
15 Fa hotsarovan’ny Tompo ianao, amin’ny andron’ny fahoriana;
ka ho toy ny ranomandry amin’ny andro tony,
no ho fahalevon’ny fahotanao.
16 Izay mahafoy ny rainy, manahaka ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra,
ary ozonin’Andriamanitra izay mampahatezitra ny reniny.
Fanetren-tena
17 Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao,
dia ho tian’ny olona izay ankasitrahin’Andriamanitra ianao.
18 Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena
dia hahita sitraka amin’Andriamanitra ianao;
19 fa lehibe ny fahefan’Andriamanitra,
ary ankalazain’ny manetry tena Izy.
20 Aza mitady izay sarotra loatra ianao,
ary aza mikaroka izay tsy tratry ny herinao ianao.
21 Izay andidiana anao no tsy maintsy heverinao,
fa tsy manana inon-katao amin’ny zava-miafina ianao.
22 Aza milozoka amin’izay ambin-draharaha,
fa ny naseho anao aza izao, efa tafahoatra
noho ny azon’ny sain’olombelona fantarina.
23 Efa nampivaona olona maro be ny fahadisoan-keviny
ka nampivaona ny hevitr’izy ireo, ny hambo mahameloka.
24 Izay tia zava-mampidi-doza, hahita loza amin’izany,
ary ny fo mafy mianjera amin’ny loza, amin’ny farany.
25 Ny fo mafy ho tototry ny fahoriana,
ary ny mpanota, manovona ota ny ota.
Fiavonavonana
26 Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona;
fa efa latsa-paka ao aminy ny tsirin’ny fahotana.
27 Ny fon’ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana,
ny mahita sofina mitandrina no fanirian’ny hendry.
Fitiavana ny mahantra
28 Ny rano mamono ny afo midedadeda indrindra;
ary ny fiantrana manonitra ny fahotana.
29 Izay mamaly ny soa natao, mitsinjo ny ho avy,
ka hahita fiankinana izy, amin’ny andro mahory.