Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 32

Ny fanasana

1 Voatendry ho mpanjakan’ny fanasanava ianao? Aza manandra-tena.

Aoka ho eo amin’ny mpiara-mihinana toy ny iray aminy ihany ianao:

karakarao aloha izy ireo, vao mipetraka ianao.

2 Rehefa vita avokoa ny didy iandraiketanao, makà toerana,

mba hifalianao noho ny amin’izy ireo,

sy handraisanao fehiloha, amin’ny nandaminana tsara ny fanasana.

3 Mitenena, ry anti-panahy, fa tandrifinao izany;

nefa mitenena amim-pahamarinana sy fahaizana sady aza misakantsakanany zava-maneno.

4 Fa raha mihaino ny mozika ny olona, aza mandraraka teny maro,

ary aza manampatra ny fahendrenao, tsy amin’ny fotoana.

5 Toy ny fitomboka vatosoa voapetaka amin’ny volamena,

ny kônsertra mireondreona eo amin’ny fanasana.

6 Toy ny fitomboka vatosoa maitso amin’ny firavaka volamena,

ny kalokalo malefaka miaraka amin’ny divay tsara.

7 Mitenena, ry zatovo, raha misy soa ho anao amin’izany,

indroa saiky be, raha anontaniana ianao.

8 Afohezo ny teninao, zava-be amin’ny teny vitsy;

aoka ho toy ny olona manam-pahaizana, fa mahay mangina.

9 Raha eo amin’ny lehibe, aza manao ny tenanao ho sahala aminy;

ary amin’ny toerana misy anti-panahy, mbà vitsy teny.

10 Tselatra mamirapiratra no mialoha ny kotro-baratra;

toetra mahafinaritra kosa no mialoha lalana ny zatovo maotona.

11 Rehefa tonga ny fotoana, mitsangàna ary mihinàna fa aza milasilasy,

modia faingana any an-tranonao, fa aza tsy miraidraika.

12 Any milalaova, manaràna fo amin’izay angotingoty tianao,

kanefa aza manota amin’ny teny an’avonavona.

13 Ary noho izany rehetra izany, misaora an’Ilay Nahary

izay manetsaka anao amin’ny zava-tsoa avy aminy.

Tahotra an’Andriamanitra

14 Izay matahotra ny Tompo mandray ny fampianarana,

ary izay mazoto mitady Azy, hahazo sitraka aminy.

15 Izay mitady ny lalàna, hahazo fahafaham-po aminy;

fa ho an’ny mpihatsaravelatsihy izy no antony hahalavo azy.

16 Izay matahotra ny Tompo no hahita ny fitsarana marina;

ka hampamirapiratra ny teny fitsarana marina, hoatra ny fanilo.

17 Mandà famaizana ny mpanota;

ary mahita fialan-tsiny araka izay tiany izy.

18 Ny olona manan-tsaina, tsy mba maneso anatra na inona na inona,

fa ny olon-kafa sy ny mpiavonavona,

tsy mba voasakan-tahotra na inona na inona;

ary nony efa avy nanao izy, dia tsy manam-pieritreretana akory,

(ka amin’izany dia miharihary ny fahadalany).

19 Aza manao na inona na inona tsy amim-piheverana,

dia tsy hanan-kanenenana ianao, aorian’ny asa.

20 Aza mandeha amin’ny lalana efa simba,

dia tsy ho tafintohina amin’ny vato ianao.

21 Aza matoky ny lalana mitovy tantana;

ary mitandrema tena ianao amin’ny zanakao.

22 Ny fanahinao no itokio, amin’izay rehetra ataonao;

fa fanarahana ny didy koa izany.

23 Izay mitoky amin’ny lalàna, dia mihaino tsara ny didiny,

ary izay matoky ny Tompo, dia tsy mba hiharam-patiantoka.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *