Ny lalàna sy ny sorona
1 Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro,
2 ary ny miraikitra amin’ny didy,
dia manolotra sorom-pihavanana.
3 Ny misaotra dia manao fanatitra lafarina tsara indrindra;
4 ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.
5 Ny ankasitrahin’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy;
ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.
6 Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao,
7 fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.
8 Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina;
ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra.
9 Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina;
ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany.
10 Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be;
ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.
11 Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao,
ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.
12 Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,
amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao.
13 Fa manome valy ny Tompo,
ka hamerina impito hoatry ny nataonao.
Manao ny rariny Andriamanitra
14 Aza mitady hanangoly azy amin’ny fanatitra,
fa tsy horaisiny akory izany,
15 ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina;
fa mpitsara ny Tompo,
ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.
16 Tsy mizaha tavan’olona hamono antoka ny mahantra Izy,
ary mihaino ny vavak’izay ampahorîna.
17 Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho,
na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy.
18 Tsy mirotsaka eo amin’ny takolany va ny ranomason’ny mpitondratena,
19 ary moa tsy mipoaka ny fidradradradrany
mamely an’izay mampitomany azy?
20 Horaisina tsara izay manaja an’Andriamanitra
araka ny fomba ankasitrahiny,
ary tafasondrotra hatrany amin’ny rahona ny fivavahany.
21 Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry teny,
fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin’Andriamanitra izany;
tsy hitsahatra izy, raha tsy efa nojeren’ny Avo Indrindra;
dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana.
22 Tsy hampiandry akory ny Tompo,
tsy handefitra intsony Izy, amin’ny mpampahory;
mandra-panorotorony ny valahan’ireo olona tsy miantra ireo,
23 sy hanaovany famaliana ny firenena;
mandra-pandringany ny ankamaroan’ireo mpiteny ratsy an’Andriamanitra,
sy hanapatapahany ny tehim-panjakan’ny mpankahala fivavahana;
24 mandra-pamaliny ny olona, araka ny asany,
sy hamaliany ny asan’ny olona araka ny heviny;
25 mandra-pandrainy eo an-tanany ny adin’ny vahoakany,
sy hampifaliany azy amin’ny famindram-pony.
26 Tsara tamin’ny fotoana nampahoriana an’i Israely ny famindram-po,
toy ny rahona mitondra orana, amin’ny fotoana main-tany.