1 Anaka, aza manala fivelomana ny mahantra;
ary aza mampiandry maso ny tsy manana.
2 Aza mampahory ny fanahin’ny noana;
ary aza mampitombo fahoriana ny olona tsy manana.
3 Aza vao mainka mahatezitra ny fo misafoaka;
ary aza milasilasy fanome ny mahantra.
4 Aza atositosika ny mpangataka ory,
azy aza iambohoan-tava ny mahantra.
5 Aza miamboho tsy mijery ny malahelo
ary aza avela hisy antony hanozonany anao;
6 fa raha manozona anao amin’ny fahorian’ny fony izy,
dia hohenoin’Ilay nanao azy ny fangatahany.
7 Ataovy mahafinaritra ny be sy ny maro ianao;
ary aondreho ny handrinao eo anoloan’ny lehibe.
8 Henoy teny ny mahantra;
ary omeo valy amin-kamoram-po izy hahafinaritra azy.
9 Afaho amin’ny tanan’ny mpampahory azy, izay ampahoriana;
ary aza osa foana raha mitsara ianao.
10 Aoka ho toy ny ray amin’ny kamboty ianao,
ho toy ny vady amin’ny renin’izy ireo,
dia ho toy ny zanaky ny Avo indrindra ianao;
ary ho tianao mihoatra noho ny reninao izy.
Fahendrena, manabe
11 Manandratra ny zanany ny fahendrena,
ary miahy an’izay mikatsaka azy izy.
12 Izay tia azy, tia fiainana;
ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana.
13 Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany,
ary amin’izay rehetra hidirany dia hitsofan’ny Tompo rano azy avokoa.
14 Izay manompo azy manompo ny Masina,
ary izay tia azy, tia ny Tompo.
15 Izay mihaino azy, hitsara ny firenena;
ary izay manatona azy honina feizay.
16 Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany,
ary ny taranany, hitana ny fananana azy.
17 Satria amin’ny voalohanyizy,
miara-mandroso amin’ny lalan-tsarotra miaraka aminy;
mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy;
mampijaly azy amin’ny fifehezana mafy,
mandra-pitsapany azy, amin’ny didiny.
18 Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin’ny lala-mahitsy indray izy,
ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafina aminy.
19 Raha mania anefa izy, dia ilaozany,
sy avelany hahita loza.
Fitandremana ny henatra olona
20 Tandremo ny fotoana, ary fadio ny ratsy,
ka aza misy tokony hahazoanao henatra amin’ny tenanao.
21 Misy henatra mitarika ny ota;
ary misy henatra mitarika voninahitra amam-pahasoavana.
22 Fadio izay henamaso olona, hanimba ny fanahinao,
ary aza dia menatra hahitanao fahaverezana.
23 Aza mitàn-teny amin’ny fotoam-pamonjena
ary aza manafim-pahendrena, mba hireharehana foana.
24 Fa amin’ny fiteny no hahalalana ny fahendrena,
ary amin’ny tenin’ny lela, no isehoan’ny fahaizana.
25 Aza manohitra ny marina
fa menara noho ianao tsy ampy fahalalana.
26 Aza menatra ny hiaiky heloka
ary aza manoha ny fandehan’ny ony.
27 Aza manaiky izay olona adala,
ary aza resin-kenamason’izay olo-manam-pahefana.
28 Miadia miaro ny marina, mandra-pahafatinao,
ary ny Tompo Andriamanitra hiady hiaro anao.
29 Aoka ianao tsy ho mafy teny,
na ho kamo aman-kanosa amin’ny asanao.
30 Aoka tsy ho toy ny liona ianao ao an-tranonao,
na ho be haitraitra eo amin’ny mpanomponao.
31 Aoka ny tananao tsy hitsotra raha handray,
nefa hihemotra kosa nony hanome.