Ory ny olombelona
1 Ny olona rehetra dia voadidy hiharam-pahoriana lehibe;
ary jioga mavesatra no manindry ny zanak’olombelona,
hatramin’ny andro nivoahany tao an-kibon-dreniny,
ka hatramin’ny andro handevenana azy ao an-kibon’ny reny iombonany.
2 Ny manabataba ny hevitr’izy ireo sy mampatahotra ny fony
dia ny fiheverana ny zavatra ampoiziny, ny tahotra ny fahafatesana.
3 Hatramin’ny olona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao amin’ny voninahitra
ka hatramin’ny ory mipetraka amin’ny tany sy eo ambony lavenona;
4 hatramin’izay mitafy sy manao satroboninahitra,
ka hatramin’ny fadiranovana mitafy vorokitsay,
5 dia samy azon’ny hatezerana, fialonana, fitabatabana, tebiteby,
fahatahorana ny fahafatesana, hasarotam-po amam-pifandirana:
ary amin’ny fotoana ialana sasatra eo am-pandriana aza,
korontanin’ny torimaso amin’ny alina ny heviny.
6 Vao miala sasatra kely, tsy ampy toy inona akory izy,
dia kotranin’ny nofy miaraka amin’izay:
mihevitra azy ho mandry tsy aman’afo amin’ny antoandro izy,
ary tsiravina amin’ny fahitan’ny sainy,
mova tsy ny olona mandositra raha hiady.
7 Amin’ny fotoanaahafahany dia tafafoha izy,
ka gaga noho ny tahotahony foana.
8 Toy izany no manjò ny nofo rehetra,
hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby,
ary ny an’ny mpanota aza mbola mihoatra im-pito noho izany.
9 Ny pesta, ny vonoana olona, ny tsy fifanarahana, ny sabatra,
ny antambo, ny mosary, ny fandringanana mbamin’ny loza hafa,
10 dia noarîna hamely ny mpanota avokoa,
ary ny amin’izy ireo koa no nahatongavan’ny safodrano.
11 Izay rehetra avy amin’ny tany dia miverina amin’ny tany;
toy ny iverenan’izay avy amin’ny rano ho any amin’ny ranomasina.
Teny fandinika samihafa
12 Ny fanatitra aman-karena rehetra azo tsy an-drariny, ho levona,
fa ny hitsim-po haharitra mandrakizay.
13 Ny haren’ny tsy marina, ho ritra tahaka ny riaka;
sy toy ny kotrokorana mafy, manakoako mandritra ny orana.
14 Hifaly ny olona mahalala malala-tanana,
fa hiharam-pahoriana tanteraka kosa ny mpivadika.
15 Ny taranaky ny ratsy, tsy mba mitsimoka sampana maro;
ary ny faka maloto dia eo ambony vatolampy mideza.
16 Ny volotara maniry eo akaikin’ny rano sy amoron’ny ony,
no ongotana alohan’ny zava-maitso hafa rehetra.
17 Ny fanirian-tsoa dia toy ny saha voatahy,
ary ny fanaovan-tsoa mitoetra mandrakizay.
Teny fandinika
18 Mamy ny fiainan’ny olona mahavita tena sy ny mpiasa:
fa mamy noho izy roa tonta ireo ny fiainan’izay mahita rakitra.
19 Ny zanaka maro sy ny fanorenan-tanàna mampaharitra anarana,
tombanana mihoatra azy roa tonta ireo anefa ny vehivavy tsy misy tsiny.
20 Mahafaly ny fo ny divay sy ny zava-maneno,
fa mihoatra noho izy roa tonta indray ny fitiavana ny fahendrena.
21 Andrenesana feo manga ny sodina sy ny harpa:
fa mihoatra noho izy roa tonta ireo ny vava maniry soa.
22 Hafinaretan’ny masonao ny hasoam-bika sy ny hatsaran-tarehy,
fa mihoatra noho izy roa tonta ireo, ny zava-maitso eny an-tsaha.
23 Tafahaona indraindray ny sakaiza sy ny namany,
fa mihoatra noho izy roa indray ny vehivavy sy ny vadiny.
24 Ny rahalahy sy ny vonjy dia ho an’ny andro mahory,
fa manafaka mihoatra noho izy ireo indray ny asam-pitiavana.
25 Ny volamena sy ny volafotsy mahamatotra ny fandeha,
fa ny fahamalinana atao, ambony mihoatra noho ireo.
26 Ny harena aman-kerim-po manandratra ny fo,
fa ny fahatahorana ny Tompo no ambony noho ireo.
tsy manan-java-mahory ny olona raha eo aminy ny tahotra ny Tompo;
raha eo Izy tsy mila izay hiantso vonjy akory.
27 Toy ny zaridaina voatahy ny fahatahorana ny Tompo;
ary noravahan’ny Tompo voninahitra tsy misy toa azy izy.
Mpangataka
28 Anaka, enga anie ka tsy ho velon-kangataka ianao;
aleo maty toy izay mangataka.
29 Raha misy olona tafalatsaka hanandrandra ny fihinanan’ny sasany,
tsy azo isaina ho fiainana akory ny fiainany.
Fa mandoto ny fanahiny amin’ny hanin’olon-kafa izy,
nefa zavatra hofadin’ny olona mahita fianarana sy tsara taiza izany.
30 Eo am-bavan’ny olona tsy manan-kenatra, mahafinaritra ny mangataka;
nefa mandoro hoatra ny afo ao an-kibony.