2. EO AMIN’NY TANTARA (1Mak 2,51-64; Heb 11)
Fiderana ireo razana malaza
1 Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza,
sy ny razan’ny karazantsika.
2 Nanao zava-mahagaga be voninahitra amin’izy ireo ny Tompo;
naneho ny fahalehibeazany hatramin’ny voalohany Izy.
3 Izy ireo dia mpanjaka teo amin’ny fanjakany;
lehilahy malaza noho ny fahefany,
mpanolo-tsaina feno fahendrena,
manambara ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny faminaniany;
4 Mpitarika ny vahoaka tamin’ny toroheviny amam-pahamalinany,
mpampianatra ny vahoaka, nanoro azy tamin’ny teny maneho fahendrena;
5 olona nianatra ny fahaiza-mamoron-kira masina,
sady nandatsaka an-tsoratra tantara mirindra;
6 mpanan-karena, nanam-pananana be,
nonina tao an-tranony tamim-piadanana:
7 Izany olona rehetra izany dia nohajain’ny niara-belona taminy,
samy voninahitry ny fotoana niainany avokoa.
8 Ny sasany tamin’izy ireo, namela anarana,
ka azo atao ny mitantara ny fiderana azy.
9 Ny sasany kosa dia tsy misy ahatsiarovana azy intsony;
fa levona toy ny tsy nisy akory;
nanjary toy ny tsy teraka akory,
ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.
10 Ireo voalohany dia olona tia vavaka,
ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.
11 Raikitra ho anjaran’ny taranany ny hasambarana
ary misy lova azo antoka ho an’ny zanany.
12 Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany;
mbamin’ny zanany koa noho ny amin’izy ireo.
13 Maharitra mandrakizay ny taranany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.
14 Ny vatany nalevina tamim-piadanana
ary ny anarany velona amin’ny taona mifandimby.
15 Ny vahoaka mankalaza ny fahendreny;
ary ny fiangonana mitory fiderana azy.
I Enôka
16 Sitraky ny Tompo i Enôka ka nafindra;
ohatra amin’ny fivalozana, ho an’ny taranaka.
I Nôe
17 Hita fa lavorary sady marina i Nôe;
izy no avotra ho an’ny olombelonatamin’ny andron’ny fahatezerana,
hany ka mbola nisy sisa tavela tamin’ny tany,
tamin’ny nahatongavan’ny safodrano.
18 Nisy fanekena mandrakizay natao taminy,
mba tsy handringana ny nofo rehetra amin’ny safodrano intsony.
I Abrahama
19 Raza-malazan’ny firenena maroi Abrahama,
ary tsy nisy olona nitovy voninahitra taminy.
20 Nitandrina ny lalàn’ny Avo Indrindra izy,
ary nanao fanekena taminy.
Naoriny tamin’ny nofonyizany fanekena izany;
ary niseho ho mahatoky izy tamin’ny fizahan-toetraazy.
21 Ka dia nanome toky azy tamim-pianianana Andriamanitra
fa amin’ny taranany no hitahiana ny firenena;
nomeny toky fa hohamaroiny toy ny vovoky ny tany izy
sy hasandrany toy ny kintana ny taranany,
ary homeny ho lovany ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina,
hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.
I Isaaka sy i Jakôba
22 Nohamafisiny toy izany tamin’i Isaaka koa noho ny amin’i Abrahama,
ny fitahiana ny firenena rehetra, sy ny fanekena.
23 Raha efa izany dia nataony mipetraka teo an-dohan’i Jakôbaizany fitahiana izany
ka nataony anton’ny fitahiany ny olona izy;
nomeny ho lovany ny tany;
24 natokotokony maro izany,
dia nozarainy tamin’ny foko roa ambin’ny folo.