I Môizy
1 Napoitrany avy amin’i Jakôba olona anankiray tia vavaka,
izay nahita fitia tamin’ny nofo rehetra,
olona tian’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Môizy:
Hombam-pitahiana anie ny fahatsiarovana azy!
2 Fa izy nomeny voninahitra sahala amin’ireo masina;
nataony malaza noho ny fampahatahorana nampidiriny tamin’ny fahavalo.
3 Ny teniny no nampitsaharany ny zava-mahatalanjona,
nomeny voninahitra teo anatrehan’ny mpanjaka izy:
nomeny didy ho an’ny vahoakany,
ary nampahitany ny tsirim-pahazavam-boninahitra anankiray.
4 Nohamasininy izy, noho ny finoany aman-kalemem-panahiny;
nofidiny tamin’ny olombelona rehetra;
5 nampandrenesiny ny feony;
nampidiriny tao anatin’ny rahona;
nifanatrika taminy izy no notolorany ny didiny,
dia ny lalàn’ny fiainana amam-pahalalana,
mba hampianarany an’i Jakôba ny fanekeny,
sy an’i Israely ny didiny.
I Aarôna
6 Nasandrany koa i Aarônaolo-masina toa azy,
rahalahiny avy amin’ny fokon’i Levì.
7 Nanao fanekena mandrakizay taminy izy,
ary nanome azy ny fisoronan’ny vahoakany.
Nampiraratiny amin’ny fihaingoana mamirapiratra izy
ary nahodidiny azy ny akanjom-boninahitra.
8 Nampitafy azy fiandrianana ambony indrindra,
ary nanendry fitafiam-boninahitra ho azy:
dia ny kalisôna, ny akanjo vita lava sy ny efôda.
9 Nohodidininy ampongabendanitra izy,
mbamin’ny lakolosy volamena madinika maro manodidina,
izay tsy maintsy maneno rehefa mandeha izy,
sy mampandre ny feony, ao amin’ny tempoly;
fampahatsiarovana ho an’ny taranaky ny vahoakany izany.
10 Nahodidiny azy ny fitafiana masina,
tenona volamena sy hiasinta;
ary jaky asan’ny mpanao amboradara;
ny rasionalin’ny fitsarana mbamin’ny Orima sy ny Tomima,
nataon’ny mpahay zavatra, amin’ny kofehy mena mangatrakatraka,
11 misy vatosoa voalatsaka an-tranontranony,
voasikotra toy ny fitomboka,
sy voapetaka amin’ny volamena asan’ny mpahay vatosoa,
mba ho fampahatsiarovana, fa misy anarana voasoratra
araka ny isan’ny fokon’i Israely.
12 Nasiany fehiloha volamena ny tiarany,
misy izao teny voasikotra izao: Masin’ny Tompo;
mari-boninahitra, taozavatra lavorary,
hafinaretan’ny maso, fihaingoana kanto.
13 Tsy nisy zavatra toy izany talohany, sady tsy hisy na oviana koa.
Tsy misy olon-kafa mitafy izany, afa-tsy ny zanany ihany,
mbamin’ny taranany amin’ny taona mifandimby rehetra.
14 Hatolotra ny sorony dorana,
indroa isan’andro tsy tapaka.
15 I Môizy no nameno ny tanany,
ary nanosotra azy amin’ny diloilo masina.
Fanekena mandrakizay izany ho azy,
sy ho an’ny taranany,
raha mbola maharitra koa ny andron’ny lanitra,
mba hanompoany ny Tompo, sy hanefany ny raharahan’ny fisoronana,
ary hitsofany rano ny vahoakany, amin’ny anarany.
16 Nofidin’ny Tompo tamin’ny velona rehetra izy,
mba hanolotra aminy ny fanatitra,
ny zava-manitra, ny fofona manitra ho fahatsiarovana,
sy hanaovana ny fanonerana ny fahotan’ny vahoakany.
17 Nomeny azy ao amin’ny didiny,
ny fahefany amin’ny fandaharana masina,
hampianarany an’i Jakôba ny didiny,
sy hanoroany ny lalàny amin’i Israely.
18 Nisy olona nioko taminy,
sy nialona azy tany an’efitra:
dia ny olona niandany tamin’i Datàna sy i Abirôna,
ary ny antokon’i Kôre, nisafoaka sy niafonafona.
19 Hitan’ny Tompo izany, ka tsy nankasitrahiny,
ka dia voaringana izy ireo tamin’ny firehetan’ny hatezerany;
nanao zava-mahatalanjona namely an’ireny izy,
ka nandevona azy tamin’ny lelafon’ny afony.
20 Ary nampitomboiny ny voninahitr’i Aarôna,
ary nanendry lova ho azy izy.
Nomeny ho anjarany ny voaloham-bokatry ny tany;
fa voalohany indrindra nanomanany mofo hamokisany azy izy ireo.
21 Ny fanatitra ho an’ny Tompo no niveloman’izy ireo;
fa izany no nomeny an’i Aarôna sy ny taranany.
22 Tsy mba nanan-dova eo amin’ny tanin’ny vahoaka anefa izy,
na anjara eo afovoan’ny firenena,
fa Izaho no anjaranao sy lovanao, hoy ny Tompo.
I Finea
23 I Finea zanak’i Eleazara, no fahatelo amin’ny voninahitra,
noho izy niseho ho mafana fo tamin’ny fahatahorana ny Tompo,
ary raha ilay nivadika iny ny vahoaka, izy kosa nijoro
tamin’ny herim-pony be voninahitra,
sy nanao ny fanonerana ho an’i Israely.
24 Izany no nanaovana fanekem-pihavananataminy,
ka nahatonga azy ho lehiben’ny mpisorona sy ny vahoakany,
mba hananany izy sy ny taranany mandrakizay
ny fiandrianana lehiben’ny fisoronana.
25 Nisy fanekena koa natao tamin’i Davida,
zanak’i Jese amin’ny fokon’i Jodà,
ka ny zanany lahy iray ihany no mifandimby hatrany mandova ny mpanjaka,
fa ny lovan’i Aarôna kosa dia ny taranany rehetra no mahazo azy.
26 Homen’ny Tompo anareo anie, ry mpisorona lehibe,
ny fahendrena ao am-ponareo
hitsarana ny vahoakany araka ny rariny,
mba tsy ho foana ny fanambinana azy,
na ny voninahiny amin’ny taona ho avy!