I Jôsoe
1 Nahery an’ady i Jôsoe, zanak’i Nona,
izay nandimby an’i Môizy amin’ny fiambonian’ny mpaminany,
ka nanamarina ny anarany, dia niseho
ho lehibe tamin’ny fanafahana ny voafidin’ny Tompo;
nanafay ireo fahavalo nanohitra,
mba hampahazo an’i Israely ny tany.
2 Endrey izany voninahitra azony, nony nanainga ny tanany izy,
ka nanangana ny sabany, namely ny tanàna.
3 Zovy tany alohany no nahatohana azy be toy izany,
raha ny Tenan’ny Tompo no nampiavy ny fahavalo?
4 Moa tamin’ny hatsi-tanany, tsy nihemotra va ny masoandro,
ary tsy toa andro roa va ny andro iray?
5 Niantso ny Andriana ambony indrindra izy,
raha namoritra ny fahavalo hatraiza hatraiza;
dia nihaino azy ny Tompo Tsitoha,
tamin’ny vato havandra mafy erỳ.
6 Ka tenan’Izy Tompo no nirotsaka tamin’ny firenena nanohitra,
sy nandripaka ny fahavalo, teo amin’ny hadilanana;
mba hahalalan’ny firenena ny fiadian’i Jôsoe rehetra,
sy ny hoe: eo anatrehan’ny Tompo ny ady iandraiketany,
satria manaraka ny Tsitoha izy.
I Kaleba
7 Tamin’ny andron’i Môizy no efa naneho sahady ny fitiavany vavaka izy,
dia izy sy i Kaleba, zanak’i Jefone,
tamin’izy nanoha mafy ny fahavalo,
nisakana ny vahoaka tsy hanota,
ary nampangina ny fimonomononan’ny ratsy fanahy.
8 Ka dia izy roa lahy ireo no hany voatahiry,
tamin’ny miaramila an-tongotra enina hetsy,
mba hampidirina amin’ny lova,
amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.
9 Ary ny Tompo nanome hery an’i Kaleba,
– sady naharitra tao aminy hatramin’ny fahafatesana izany;
ka afa-niakatra teo an-tampon’ny faritany izy,
ary voatanan’ny taranany izany lova izany:
10 mba hahafantaran’ny zanak’i Israely rehetra,
fa tsara ny manaraka ny Tompo.
Ireo Mpitsara
11 Ary ny Mpitsara samy araka ny anarany avy,
izay rehetra tsy niraiki-po tamin’ny fijangajangana,
izay rehetra tsy nihataka niala tamin’ny Tompo,
aoka hombam-pitahiana anie ny fahatsiarovana azy!
12 Ho velona indray anie ny taolany avy ao am-pasana!
Hohavaozina indray anie ny anarany,
eo amin’ny taranak’ireo olo-malaza.
I Samoela
13 Nankasitrahin’ny Tompo Andriamaniny i Samoela;
mpaminanin’ny Tompo izy nanorina ny fanjakana,
ary nanosotra andriana hanapaka ny vahoakany.
14 Nitsara ny fiangonana, araka ny lalàn’ny Tompo,
ka dia nanopy maso nitsinjo an’i Jakôba ny Tompo.
15 Niseho ho mpaminany izy, tamin’ny fahamarinany,
ary hita fa mpahita mendrika hinoana noho ny fahamarinan’ny filazany.
16 Niantso ny Tompo ambony indrindra izy,
tamin’ilay namoritra azy hatraiza hatraiza iny ny fahavalo,
ary zanak’ondry mbola minono no nateriny.
17 Fa ny Tompo nikotrokotroka tany an-danitra ambony,
sy nampandre ny feony nipoaka mafy:
18 ary nanorotoro ireo filohan’ny Sirianina,
mbamin’ireo rehetra mpanapaky ny Filistinina.
19 Talohan’ny fotoan’ny fatoriana mandrakizay,
dia niantso ny Tompo, sy ilay voahosony ho vavolombelona izy,
nanao hoe: «Tsy misy nandraisako
fanomezana akory, na dia kapa aza.»
Ary tsy nisy olona nitsangan-kiampanga azy.
20 Ary nony efa natory izy dia naminany,
ka nilaza tamin’ny mpanjaka fa efa akaiky ny hiafarany.
Nanandratra ny feony izy avy tao anatin’ny tany,
ka naminany mba hanafoana ny heloky ny vahoaka.