I Natana
1 Manaraka izany niseho i Natana,
mba haminany, tamin’ny andron’i Davida.
I Davida
2 Toy ny fanavaka ny saboraamin’ny sorona fisaorana,
no nanavahana an’i Davida teo amin’ny zanak’i Israely.
3 Nilalao tamin’ny liona, toy ny amin’ny zanak’osy izy,
ary tamin’ny orsa, toy ny amin’ny zanak’ondry kely.
4 Fony izy mbola tanora, tsy namono ilay goavam-be va izy,
ka nahafa-kenatra ny vahoaka,
nony nanainga tanana mbamin’ny vaton’antsamotadiny izy,
sy nanongana ny reharehan’i Gôliata?
5 Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy,
ary ny Tompo nanome hery ny tanany ankavanana,
hamono mahafaty an’ilay mpiady mahery,
mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany.
6 Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin’ireo iray alina;
noderaina izy, noho ny fitahian’ny Tompo;
ary natolotra azy ny satroboninahitra.
7 Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo,
nohoseny tamin’ny tongony ny Filistinina, ny mpanohitra;
noketrahiny mandrak’androanyny herin’ireny.
8 Tamin’izay rehetra nataony izy nanolotra haja,
ny Masina, ny Avo Indrindra, tamin’ny teny fiderana;
tamin’ny fony tokoa nanao hira fankalazana
ary tia an’Ilay nanao azy.
9 Nanendry mpihira eo anoloan’ny ôtely izy,
ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin’ny feon’ireo.
10 Nataony manetriketrika ny fety,
ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe,
amin’ny fotoana ankalazan’ny mpihira ny Anara-masin’ny Tompo,
sy ampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina.
11 Ny Tompo kosa namela ny hadisoany,
nanandratra ny fahefany ho mandrakizay;
ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka,
sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin’i Israely.
I Salômôna
12 Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray,
tao anatin’ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy.
13 Nanjaka tamin’ny androm-piadanana i Salômôna,
fa nomen’Andriamanitra fitsaharana amin’ny manodidina rehetra izy,
mba hanorina tempoly ho an’ny Anarany,
sy hamboatra fitoerana masina mandrakizay.
14 Endrey izany fahendrenao, tamin’ny fahatanoranao,
niboiboika fahalalana toy ny ony!
15 Niely eran’ny tanyny fahiratan-tsainao,
dia nofenoinao oha-teny mifono hevitra izy.
16 Tonga hatrany amin’ny lavitra ny anaranao,
ary tian’ny olona teo amin’ny fiadananao ianao.
17 Ny hiranao masina, ny ohabolanao, ny fanoharanao,
ary ny valin-teninao efa nigagan’izao tontolo izao anao.
18 Tamin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitra,
izay antsoina ho Andriamanitr’i Israely,
ianao nanangona volamena toy ny fira-potsy,
nampiasa volafotsy toy ny firaka.
19 Nanaram-po tamin’ny vehivavy ianao,
ary nomenao fahefana tamin’ny vatanao izy;
20 nasianao pentina ny voninahitrao,
ary nolotoinao ny taranako,
ka dia niantso hatezerana ho amin’ny zanakao ianao.
21 Mahatsiaro mangirifiry noho ny hadalanao aho;
fa izany no antony nivakian’ny fanjakana,
ka avy amin’ny Efraima no nitrangan’ny filohan’ny fanjakana nikomy.
22 Kanefa ny Tompo tsy hiala amin’ny famindram-pony,
ary tsy hasiany levona iray akory ny asany;
tsy hamongotra ny taranak’ilay voafidiny izy,
ary tsy ataony lany tamingana ilay tia Azy.
I Jakôba namelany dimby;
ary i Davida namelany solofo iray razana aminy.
I Rôbôama
23 Nody mandry tany amin’ny razany i Salômôna,
ary ny navelany nanarakaraka azy, dia zanany iray razana aminy,
iray, olona adala eo imason’ny vahoaka, tsy manam-pahalalana,
i Rôbôama izay nanao izay hihatahan’ny vahoaka amin’ny heviny;
I Jerôbôama
ary i Jerôbôama, zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely,
sy ny sori-dalana hidiran’i Efraima amin’ny fivadihana.
24 Dia tafahoatra loatra ny fahotan’i Israely
ka nentina lavitra ny taniny izy.
25 Nivarina tamin’izao karazam-paharatsiana rehetra
izao izy,
mandra-pidonan’ny famaliana azy ireo.