I Josiasa
1 Ny fahatsiarovana an’i Josiasa dia zava-manitra,
natao tamin’ny fofona manitra indrindra,
namboarina tamin’ny fahaizan’ny mpamorona zava-manitra;
mamy toy ny tantely ny fahatsiarovana azy, amin’ny vava rehetra,
ary toy ny mozika eo amin’ny fanasana.
2 Hainy ny nitarika ny vahoaka ho amin’ny fibebahana,
ary vitany ny mamoana ny fahavetavetana avy amin’ny fankahalana fivavahana.
3 Nampitodika marina ny fony amin’ny Tompo izy,
ary nanamafy ny fitiavam-bavaka, tamin’ny andron’ny mpankahala fivavahana.
Ireo mpanjaka farany sy mpaminany farany
4 Afa-tsy i Davida sy i Ezekiasa ary i Josiasa,
dia nanao ny ratsy avokoa ny hafa rehetra;
nahafoy ny lalàn’ny Avo Indrindra
ny mpanjakan’i Jodà, ka nizotra ho amin’ny fahaverezany.
5 Satria navelany ho an’ny hafa ny fahefany,
ary ho an’ny firenen-kafa ny voninahiny.
6 Nodoran’izy ireo ny tanàna voafidy ho an’ny fitoerana masina,
ary nataony lao ny kianjany,
noho ny amin’i Jeremia.
7 Fa ratsy fitondra azy izy,
nefa ilay voahasina ho mpaminany hatrany an-kibon-dreniny,
mba hanongana sy handrava ary hamono,
sady hanorina sy hamboly koa.
8 I Ezekiasadia nibanjina ny fahitam-boninahitra,
izay nasehon’ny Tompo azy, tambonin’ny kalesin’ny Kerobima;
9 fa nihevitra ny fahavalo,
tao anatin’ny ranonoram-baratra mananontanona izy,
ary nanisy soa an’izay nanaraka ny lala-mahitsy.
10 Ny amin’ireo mpaminany 12 lahy
dia aoka ho velona indray anie ny taolany avy ao anaty fasany.
Fa nampionona an’i Jakôba izy ireo,
ary namonjy azy tamin’ny fanantenana marina.
I Zôrôbabela sy i Jôsoe
11 Atao ahoana no fankalazana an’i Zôrôbabela?
Fa toy ny peratra fitomboka eo amin’ny tanana ankavanana izy.
12 Torak’izany koa i Jôsoe, zanak’i Josedeka!
Fa izy roa lahy ireo tamin’ny androny nanorina ny tranon’Andriamanitra indray
ary samy nanangana ny Tempoly,
voatokana ho an’ny Tompo,
sy voatendry hanana voninahitra mandrakizay.
I Nehemia
13 Lehibe koa ny fahatsiarovana an’i Nehemia,
izay nanangana indray ny mandantsika efa rava,
sy namboatra indray ny vavahadintsika mbamin’ny hidiny,
ary nanorina ny tranontsika indray.
Famintinana
14 Tsy misy olona tahaka an’i Enôka teto ambany masoandro,
fa izy koa nofaohina tamin’ity tany ity.
15 Tsy nisy olombelona tahaka an’i Josefa,
filohan’ny rahalahiny, tohan’ny fireneny;
ary voatahiry tamim-pitandremana ny taolam-balony.
16 I Sema sy Setakoa, nankalazaina teo amin’ny olombelona;
fa i Adama no ambonin’ny zavatra rehetra tamin’ny zava-boaary.