Harena sy hasahiana loatra
1 Aza miankina amin’izay harenao,
ary aza manao hoe: «Manan-karena ampy aho!»
2 Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao,
mba hanafa-po fanirian’ny fonao;
3 ary aza manao hoe: Zovy moa no Tompoko?
Fa tsy maintsy hosazin’ny Tompo ianao.
4 Aza manao hoe: Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?
Fa mahari-po ny Tompo.
5 Aza dia afaka ahiahy ny amin’ny fanonerana,
ka manampy ota ny ota.
6 Aza manao hoe: Be famindram-po Andriamanitra,
ka hamela ny heloka maro be.
Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana;
ary mianjera amin’ny mpanota ny fahavinirany.
7 Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo,
ary aza mangataka andro isan’andro izao,
fa hipoaka tampoka ny hatezeran’ny Tompo,
ka ho levona ianao amin’ny andro hamaliany.
8 Aza miankina amin’izay harena azo tsy an-drariny,
fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin’ny andro mahory.
Fihenjanana sy fahafehezan-tena
9 Aza mikororoka amin’ny rivotra rehetra,
ary aza mandeha amin’ny lalana rehetra,
fa izany no fanaon’ny mpanota miroa lela.
10 Miorena amin’ny fihevitrao
ary aoka ho tokan-teny ianao.
11 Ny mihaino no aoka hahafaingana anao;
fa ny mamaly, aoka hiadana ianao.
12 Raha mahita hevitra ianao, no mamalia ny namanao;
fa raha tsy izany kosa, tampeno amin’ny tananao ny vavanao.
13 Ny voninahitra sy ny henatra, samy ao amin’ny teny;
ary ny lelan’ny olona, dia mampidi-doza azy.
14 Aza mihatsy ny hantsoina ho mpanaratsy;
ary aza mamela-pandrika amin’ny lelanao;
fa mianjera amin’ny mpangalatra ny henatra;
ary misy fanamelohana mafy mahatratra ny miroa lela.
15 Aza diso na be na kely.