Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 9

Ny vehivavy

1 Aza saro-piaro ny vady mandry eo ampofoanao;

ary aza mamoha sain-dratsy hahavoa anaoao am-pony.

2 Aza dia mandolotra ny fanahinao amin’ny vadinao,

fa hitsanganany hanohitra ny fahefanao izany.

3 Aza mandeha hifanena amin’ny vehivavy janga,

fandrao tafalatsaka amin’ny famandrihany ianao.

4 Aza mijanona ela miaraka amin’ny mpihira vavy;

fandrao dia voafandriny amin’ny fahaizany ianao.

5 Aza mahari-pijery vehivavy,

fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy ianao.

6 Aza manolo-tena amin’ny vehivavy janga,

fandrao dia very lova ianao.

7 Aza mijerijery atsy amin’arỳ eny an-dalamben’ny tanàna,

ary aza misodisody eny amin’ny fitoerany mangingina.

8 Avilio ny masonao tsy ho amin’ny vehivavy bikàna,

ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa;

fa maro no efa sodokan’ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy,

ka mirehitra hoatra ny afo ny fanirian-dratsiny.

9 Aza miara-mipetrakaamim-behivavy manam-bady,

na oviana na oviana;

aza mandry ilika hiara-mihinana aminy;

aza miara-misotro divay aminy, eo amin’ny fihinanam-be

fandrao tafahodina mankaminy ny fonao,

ka voatariky ny filàn-dratsinao ho amin’ny fahaverezana ianao.

Fifandraisana aman’olona

10 Aza mahafoy ny sakaizanao ela,

fa tsy mahaleo azy ny vaovao.

Na divay vaovao, na sakaiza vaovao,

aoka hihantitra vao hosotroinao an-kafaliana.

11 Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota,

fa tsy fantatrao izay ho faharavàny.

12 Aza mankasitraka ny fahafinaretan’ny mpankahala fivavahana,

tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin’ny Seoly.

13 Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hampamono,

dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana ianao.

Ary raha manatona azy ianao, mitandrema tena amin’ny heloka rehetra,

fandrao dia alàny ny ainao.

Fantaro fa mandeha mamaky ny fandrika ianao,

ary mitete eny ambonin’ny nongonongon’ny mandan’ny tanàna.

14 Tandremo araka izay azo atao ny namanao,

ka makà amin’izay hendry.

15 Miresaha amin’ny olona manan-tsaina,

ary ny amin’ny lalàn’ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra.

16 Aoka ho olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao;

ary ny fahatahorana an’Andriamanitra no ataovy voninahitrao.

17 Ny tanan’ny olona kinga no hiderana ny asany,

ary ny tenin’ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry.

18 Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tanànany,

ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin’ny resany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *