Rano avy amin’ny vatolampy
1 Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.
2 Ka nila akisa tamin’i Môizy ny vahoaka, nanao hoe: «Omeo rano izahay, hosotroinay.» Fa ho i Môizy namaly azy hoe: «Nahoana no dia mila akisa amiko ianareo? Nahoana no dia maka fanahy an’i Iaveh ianareo?»
3 Teo ihany anefa ny vahoaka main’ny hetaheta, ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: «Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?»
4 Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy nanao hoe: «Inona no ataoko ho an’ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy?»
5 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mialohava ny vahoaka ka ento miaraka aminao ny loholon’i Israely, ataovy an-tananao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana.
6 Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,
7 ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila akisa ny zanak’i Israely, sy naka fanahy an’i Iaveh nanao hoe: «Eto afovoantsika va i Iaveh sa tsia?»
Ady tamin’ny Amalesita.
8 I Amaleka nandroso hanafika an’i Israely tao Rafidima, ka hoy i Môizy tamin’i Jôsoe:
9 «Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»
10 Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana.
11 Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.
12 Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro.
13 Dia resin’i Jôsoe tamin’ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny olony.
14 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky;ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».
15 Dia nanorina ôtely i Môizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi.
16 Ka hoy izy: «Efa nanangan-tanan-kamely ny seza fiandrianan’i Iaveh izy ireo, koa i Iaveh kosa hiady amin’i Amaleka amin’ny taona mifandimby hatrany».