1 Dia nanome didy i Dariosa mpanjaka, ka dia nokarohina tao amin’ny trano fitahirizan-taratasy izay nitahirizana ny rakitra tany Babilôna.
2 Ka indro hita tao Ekbatàna, tanàna mimanda ao amin’ny faritanin’i Media, horonan-taratasy anankiray nisy izao filazana voasoratra izao:
3 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjaka, dia izao no didy navoakan’i Sirosampanjaka: Ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka haorina indray io trano io ho fitoerana fanaterana sorona, ary aoka hatao mafy ny fandatsaham-pototra. Ho enimpolo hakiho ny haavony, ary enimpolo hakiho koa ny sakany,
4 ka hatao vato vaventy voapaika telo andalana sy hazo iray andalana; ary haloa avy ao an-tranon’ny mpanjaka izay lany aminy.
5 Fanampin’izany, ny fanaka volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra izay nalain’i Nabokodonozora tany amin’ny Tempoly any Jerosalema dia haverina ka dia hoentina ao amin’ny tempoly any Jerosalema, hatao amin’ny fitoerany teo, ka hapetrakaoao an-tranon’Andriamanitra.
6 Koa ankehitriny, ry Tatanaì governora any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namanareo ao Afarsàka, ianareo any an-dafin’ny ony, dia mihataha tsy hitoetra ao,
7 ka avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra; aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.
8 Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody, hanorenana indray io tranon’Andriamanitra io: ny haren’ny mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony, no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
9 Ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, na vantotr’ombalahy, na ondralahy aman-janak’ondry, na varimbazaha, na sira, na divay aman-diloilo, araka ny fandaharana ataon’ny mpisorona ao Jerosalema, dia homena azy isan’andro tsy tapaka,
10 mba hanaterany sorona tsara hanitra ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, dia hivavahany ho an’ny ain’ny mpanjaka sy ny zanany.
11 Izao koa no didy omeko: Raha misy manova izao teny izao, dia hotsoahana ny sakamandimby iray amin’ny tranony, ka dia hahantona sy haompana eo izy, ary ny tranony koa hatao antontam-piringa, noho izany.
12 Ary ilay Andriamanitra izay mampitoetra ny Anarany ao anie hanongana ny andriana amam-bahoaka izay haninji-tanana hanova izao didy izao sy handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Didy nomeko izaho Dariosa, ity; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.
13 Notanterahin’i Tatanaì governoran’ny any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany, an-tsakany sy an-davany, ny didy nalefan’i Dariosa mpanjaka.
14 Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.
15 Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara, taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.
16 Ary ny zanak’i Israely, ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
17 Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io: Ombalahy 100, ondralahy 200, zanak’ondry 400, ary osilahy 12, araka ny isan’ny fokon’i Israely ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
18 Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.
Ny Paka tamin’ny taona 515
19 Tamin’ny andro faha-14n’ny volana voalohany, dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.
20 Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka, ka samy efa madio avokoa. Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra sy ho an’ny rahalahiny mpisorona ary ho an’ny tenany.
21 Nihinana ny Paka ny zanak’i Israely rehetra niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany, sy nanatona azy hiara-mitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
22 Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tananyamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.